Iakora – Dahalo 18 sy fokonolona 5 namoy ny ainy
Nisehoana fifandonana mahery vaika indray tany amin’ny distrikan’Iakora, ny alahady maraina teo, teo amin’ireo fokonolona mpanara-dia niaraka tamin’ireo zandary sy ny andian-dahalo avy nanafika. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia niteniteny ny basy, tany Antsorihy, kaominina Volambita, distrikan’Iakora. Vokany, niisa 23 indray ny faty niampatrapamtra teny amin’ny tany fiadiana. Olona 5 ny avy amin’ny fokonolona ary 18 avy amin’ny dahalo. Nisy ihany koa ireo naratra izay miisa 3 avy amin’ny fokonolona hatrany ka nalefa any amin’ny hopitaly Ranotsara avaratra manaraka fitsaboana. Tsy nahasakana ny fanenjehena anefa ny fahalavoan’ireto mpanara-dia ireto fa vao maika aza nitohy izany. Niantso fanampiana tamin’ireo namany ny mpitandro filaminana ka zandary 21 avy ao amin’ny vondrona Ihorombe, borigady Iakora sy Andranotsara avaratra, Ihosy ary fokonolona sy kaloiny arivo no manohy ny fanarahan-dia amin’izao fotoana izao. Marihina fa avy nanafika ny tanàn’i Manateza, fokontany Anketsa, kaominina Volambita ireo dahalo ireo ny alahady 5 jiona, tamin’ny 6ora maraina. Dahalo 80 lahy no nandroba tamin’io toerana io ka omby miisa 150 no lasa.
Laurena Nany