Vous êtes ici :

Dimanche 12 Janvier 2025

ombre

Halatra tablette – Mpianatra 7 nosamborina tany Mahabo

Mpianatra miisa 7 amin’ny lisea iray any Mahabo no nosamborin’ny manam-pahefana fa nangalatra tablette ny fianarana. Araka ny vaovao voangona dia nanjavona tampoka tao an-tsekoly ny tablety miisa 32 ny 27 mey lasa teo. Tsy vaky ny efitranon-tsekoly nitoeran’ireo fitaovana ireo tamin’io fotoana io. Nametraka fitarainana avy hatrany teny amin’ny mpitandro filaminana ny tompon’andraikitra ny sekoly ka nisy ny fanadihadiana  natao. Nandritra izany no nahenoina fa ireo mpianatra tao ihany no tompon’antoka tamin’ny fangalarana ka niroso tamin’ny fanadihadiana lalina kokoa ny manam-pahefana ary nahatonga ny fisamborana izy fito ireo. Niaiky fa izy ireo tokoa no nangalatra ireo tablette saingy tsy fantatra ny antony na ny hanaovan’izy ireo ilay fitaovana. Fantatra amin’izao fotoana izao fa efa tafaverina ny 26 amin’ireo tablette fa mbola tadiavina kosa ny ambiny.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre