Manezaka faramparany !
Maro ireo milaza fa anisan’ny volana tsara indrindra ho an’ny malagasy ny volana Jiona. Ankoatra ny fetim-pirenena sy ny volan’ny ankizy mantsy dia volan’ny teny malagasy ihany koa izy ity. Raha atao bango tokana dia toa mitodika any amin’ny fety sy fifaliana ary kilalao ny fandaharam-potoana rehetra. Ny fitondram-panjakana izao dia efa namoaka ny amin’ireo fampisehoana an-dampihazo maimaim-poana hamalifaliana ny vahoaka. Eny an-dalana sy eny an-tsena rehetra eny ihany koa dia efa mampiseho fa ankatoky ny fety i Madagasikara. Efa mitobaka ny kilalao sy ny harendrina ary mihofahofa ny sainam-pirenena. Volan’ny ankizy rahateo ka maro ireo mpivarotra kilalao. Fotoanan’ny famoran-jaza sy efa fanombohan’ny famadihana ihany kosa satria efa tena ririnina ka mitodika any amin’ny fifaliana ny sain’ny maro. Toa adino vetivety ilay fahantrana sy fahoriana mahazo ny firenena sy ny isan-tokan-trano. Toa adino fa mitrongy vao homana ny ankamaroan’ny olona ary tsy zakan’ny aina intsony ny fisondrotry ny vidim-piainana sy ny fanjakazakan’ny tsy fandriam-pahalemana. Toa adinon’ny maro fa fotoanan’ny jery todika izao satria ity volana jona ity ihany koa no manasaraka ny taona.
Rehefa tena jerena dia ity volana ity no tena anisan’ny mafy indrindra ho an’ny rehetra. Izao tokoa mantsy no famaranana ireo fandaharam-pampianarana sy anomanana ireo fanadinana hifindrana kilasy na ny fanadinam-panjakana ho an’ireo izay hiatrika izany. Tsy maintsy miari-tory sy mifoha maraina ny ankamaroan’ny mpianatra mba hanao famerenan-desona nefa iaraha-mahita fa tena mamirifiry ny andro. Mafy ho an’ny mpianatra ny vanim-potoana toy izao, indrindra ho an’ireo efa lehibebe satria miara mitontona ao anatin’ny fotoana iray ny mahasoa sy ny mahafinaritra. Andaniny tsy azo atao kitoatoa ny fanadinana satria ho very herin-taona raha toa ka tsy mahazo ny naoty ilaina. Ankilany, manomboka avokoa ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena malaza be rehetra any ivelany, ary eto an-toerana kosa dia misesisesy ireo fampisehoana sy fialam-boly mahasarika ny maro.
Ho an’ny ray aman-dreny ihany koa dia faran’izay mafy ity volana jona ity satria mitombo avokoa ny fandaniana rehetra raha oharina amin’ny mahazatra. Ny vidim-piainana misondrotra nefa ny karama tsy miakatra, ny fanadinan’ny mpianatra sy ny fetim-pirenena ary ireo adidy maro amin’ny fianakaviana tsy maintsy atrehina. Manginy fotsiny ny aretina vokatry ny hatsiaka izay tena mamely amin’izao fotoana izao.
Mbola olana goavana ho an’ny fitondram-panjakana ihany koa izy ity satria betsaka ireo adidy sy tranga maro tsy maintsy sahanina. Voalohany amin’ireny ny fanomanana ny fankalazana ny fetim-pirenena izay efa miha antomotra nefa ny hetsika fanakorontanana etsy sy eroa tsy maintsy alamina ihany koa. Tena saro-pady amin’ny resaka politika mihitsy izao ankatoky ny fankalazana ny fahaleovan-tena izao satria mirehitra ny afom-pitiavan-tanindrazan’ny vahoaka ka mampitroatra azy ireo tsy hanaiky ny heverina ho tsy mety eto amin’ny firenena. Hain’ny mpanohitra ny manararaotra io tranga io ka mampihetsika azy ireo hanentana ny vahoaka hitroatra. Tsy mora ho an’ny mpitondra ny fomba handaminana izany rehetra izany satria raha ny zava-misy dia manana ny rariny ny vahoaka raha ho diso fanantenana nohon’ny fahantrana misy eto amin’ny firenena. Ny filoha rahateo nampanantena tamin’ny fiandohan’ny taona fa ho taonan’ny fiotazam-bokatra ity taona ity nefa tsy hita izay tena misongadina hatreto ankoatra ny fitokanana kely vitsivitsy izay tsy nampiova ny farim-piainan’ny isan-tokantrano akory.
Ireo rehetra ireo dia ahafahana milaza fa tsy mora ary tsy mahafinaritra araka ny fiheveran’ny maro azy ny volana jona fa tena mafy sy iankinan’ny ho avin’ny tsirairay sy ny firenena mihitsy. Hadisoana kely eo amin’ny fanapahan-kevitra sy ny fifehezan-tena fotsiny dia mety hanimba zavatra betsaka na ho an’ny mpianatra izany na ho an’ny ray aman-dreny, na ihany koa ho an’ny mpanao politika sy ny mpitondra Fanjakana.
Ravalo tsy Manana