Vous êtes ici :

Jeudi 16 Janvier 2025

ombre

Hala-jaza – Tao anaty 4×4 no hita izy roalahy kely

Rehefa nanjavona tao anaty andro vitsivitsy ny ankizilahy kely miisa 2 monina eny Ambohidratrimo dia hita ihany ny sabotsy lasa teo. Marihina fa nisy naka an-keriny izy ireo tamin’ny fotoana tsy nahitana azy. Araka ny vaovao voaray, andian-jiolahy maromaro no niara-nisambotra ireo ankizy ireo teny amin’ny trano fonenany, ny herinandro lasa teo. Notaomin’izy ireo hanaraka azy ireo zaza dia lasa. Ny ankizy hafa niaraka nilalao tamin’izy ireo no nahalalana fa lasa nanaraka ireo olona ireo izy mirahalahy. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny ray aman-drenin’ireo zaza very ka taorian’ny fanadihadiana nataon’ny manodidina dia niditra tamin’ny fikarohana izy ireo.

Ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 10ora alina, teny Ankadikely Ilafy, manakaiky ny fivarotan-kazo no nahitana azy ireo tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana iray nipetraka teo amoron-dalana. Tsy nisy nanimbinana fa salama tsara avokoa izy ireo. Mbola tsy fantatra kosa ireo mpangala-jaza na ny antony nakana azy ireo. Mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ataon’ny zandary ireo olon-dratsy.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre