Fitsaram-bahoaka – Olona efatra miady aina mafy
Nisesisesy indray ny fitsaram-bahoaka tany Toamasina nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo. Leo sy tofoka amin’ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana tanteraka ny vahoaka ka tsy miala maina mihitsy ireo jiolahy izay tratra. Ny alin’ny alahady 5 jona teo no niandohan’izany tamin’ny fahatratrarana lehilahy iray sahabo ho 37 taona nanendaka tao amin’ny fokontany Ankirihiry. Tsy navelan’ny mponina raha tsy nahazo ny sahaza azy. Mbola ny alin’io ihany koa fa tany amin’ny fokontany Mangarano indray no niseho ny faharoa. Rangahy iray 53 taona no sarona namaky trano ary notrobaran’ny fokonolona antsy lavalela ka nivoraka hatramin’ny tsinainy. Ny alin’ny alatsinainy 6 jona teo kosa ny tranga fahatelo tany Antetezantona any Toamasina faharoa. Roalahy mpihavana no niharan’ny hatezeran’ny fokonolona tamin’io fotoana io. Halatra fakan-tsary tany Tanandava no nahatonga ny fanafaizana. Ny iray 30 taona raha 20 taona kosa ny faharoa izay zanakan’anabavin’iry voalohany. Nifampitadiavan’ny fokonolona izy roalahy taorian’ny halatra ka tany Antetezantona vao tratra. Tsy nisalasala fa notapahin’ny fokonolona avokoa ny tanana anankiroan’ilay 30 taona, raha toa ka ny ilany ihany ny an’ilay 20 taona. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Be Toamasina avokoa izy efatra mirahalahy mianaka ireo amin’izao fotoana izao.
Laurena Nany