Vous êtes ici :

Jeudi 16 Janvier 2025

ombre

Fanafihana teny Andoharanofotsy – Naiditra am-ponja ireo jiolahy

Ny alatsinainy lasa teo no niakatra Fitsarana ireo jiolahy tratra nanafika teny amin’ny fokontany Mahabo, kaominina Andoharanofotsy ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny 1ora maraina. Raha efatra mianadahy izy ireo no sarona tamin’iny fotoana iny dia efa tafakatra enina izy ireo no niatrika ny Fitsarana. Taorian’ny fihainoana azy ireo, notanana vonjy maika eny Tsiafahy  ny dimy lahy ary ao Antanimora kosa ilay vehivavy. Raha tsiahivana dia telo lahy nirongo sabatra sy antsy ary “pince coupante” no nanafika tokantrano roa sy fiangonana tamin’io alina io. Lasan’izy ireo ny  volamena sy vola ary “synthétiseur” tao amin’ny tokantrano voalohany, raha toa ka niala maina tao amin’ny roa farany. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany mantsy ny lasibatra ka tsy niandry ela ireto voalohany nidina teny an-toerana niodidina ny tanàna voatafika. Rehefa nokarohina nandritra ny ora roa dia voasambotra ny iray ary tamin’ny alalan’ny famotorana azy no nahafahana nisambotra ireo namany sisa.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre