Vous êtes ici :

Jeudi 16 Janvier 2025

ombre

CNaPS – Fiangonana Adventista – Manamafy ny fahalalana momba ny fiahiana ara-tsosialy

Betsaka ny fanampiana omen’ny CNaPS ho an’ny mpiasa sy ny vady aman-janany. Vitsy anefa ny tolotra fantatr’ireo mpiandraikitra ny fitantanana ny mahaolona. Izay indrindra no nahatonga ny mpitantana ny Fiangonana Advantista niantso ny sampan-draharaha Sass (Service d’Actions Sanitaires et Sociales) eo anivon’ny  CNaPS hanofana ireo mpitantana ao aminy. Tanjon’ny Fiangonana Advantista ny hanaja ny lalàna velona  eto amin’ny firenena satria tsy mifanohitra amin’ny foto-keviny izany, hoy i Pastera Rasolonomenjanahary Robert izay mpitam-bolan’ny Fivondronam-ben’ny Fiangonana Advantista aty amin’ny ranomasim-be Indiana. Miezaka hatrany ireo tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity Fiangonana ity hanatsara ny fifandraisana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa ; vonona hanaja ny zon’ny mpiasa satria ny olona mizaka ny zo ara-tsosialy dia mivelatra kokoa eo amin’ny lafin’ny asa. Rehefa manana antenaina amin’ny ho avy ny mpiasa dia mazoto mamokatra ary miodina ny sekoly sy ny toeram-pitsaboana Adventista.

Nahatongavana solon-tena avokoa ny sehatry ny fampianarana sy ny fitsaboana Adventista manerana ny Nosy : Antananarivo, Antsirananana, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliary ary Toamasina. Notsiahivin’Andriamatoa Randrianarijaona Charles Emilson lehiben’ny sampan-draharaha Sass eo anivon’ny CNaPS izay nitarika ny fiofanana fa zo fototra mahaolona ny fananana Fiahiana ara-tsosilay ary voarakitra ao amin’ny andininy faha-22 anatin’ny Fanambarana maneran-tany momba ny zon’olombelona izany.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre