Vous êtes ici :

Jeudi 16 Janvier 2025

ombre

Bizina kaontera – Iray tapitrisa ny iray any Toamasina

Mirongatra tsy misy ohatra izany ny halatra kaontera sy taroby any Toamasina amin’izao fotoana izao. Tamin’ny taona 2015 dia nahatratra 27 isa ny tokantrano very kaontera ary miisa 7 kosa nanomboka ny volana janoary 2016 makaty. Misy olona misandoka ho mpiasan’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy mangalatra izany ka mivarotra amin’ny vidiny lafo dia lafo ireo fitaovana ireo any amin’ny mpanjifa. Tokantrano iray tany Mangarano izao no lasibatra ny tovolahy iray mitonona ho mpiasan’ny Jirama eto an-drenivohitra fa mamita iraka any an-toerana. Namidiny iray tapitrisa ariary ny kaontera iray. Ny mpanjifa izay maika ny hanana jiro dia nanaiky ny fandrebireben’ilay tovolahy. Mbola tsy ampy kosa ny vola teny am-pelantanan’izy ireo dia 800 000 ariary ihany aloha no naloa fa ny 200 000 ariary ambiny amin’ny manaraka. Nolazain’ilay mpisoloky anefa fa amin’ny fotoana akany ny ambim-bola no mametaka ilay kaontera izay niteraka ahiahy tamin’ny tompon-trano ka nampilaza ny Jirama.

Nanao antso avo ny vahoaka ny Jirama

Voaporofo avy eo fa mpisandoka izy ary nanaovana vela-pandrika. Nantsoin’ny tompon-trano niverana noho izany ilay tovolahy haka ilay 200 000 ariary sisa ka noraisim-potsiny. Sarona nandritra ny fisamborana azy ny badge jirama hosoka entina misoloky olona. Nandritra ny fanadihadiana natao azy indray avy eo no nahalalana fa mponina any Toamasina ihany ny tenany.

Manoloana ity tranga niseho ity dia nanatanteraka tafatafa tamin’ny mpanao gazety any an-toerana ny tale mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama Toamasina, Koto Roger, omaly maraina ny mba hitandreman’ny vahoaka fa mahakasika ity halatra kaontera sy taroby any an-toerana izay tena mahazo vahana ity. Nanentana ihany koa izy ny mba hampandre azy ireo hatrany vao misy zavatra mampiahiahy ataon’ireo mitonona ho mpiasan’ny jirama. Natolotra ny fampanoavana ilay olon-dratsy.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre