Antananarivo tsy mety mivoatra !
Niherina ihany ity ny fotoana nanaovan’ireo kandida nilatsaka ho fidiana ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra fampielezan-kevitrra izay nampanantenain’izy ireo fampandrosoana sy fiovana goavana ao anatin’ny fotoana fohy. Niaraha-nahita anefa fa i Lalao Ravalomanana kandidan’ny Tim no lany ka dia any aminy izany ny adidy aman’andraikitra hanatsarana ny tanàna. Herin-taona aty aoriana dia tsy mbola hita misongadina ny fanatsarana ity renivohitra. Vao maika aza niampy ny fahoriana mahazo ny vahoaka fa toa lasa hery famoretana sy mpanambany indray ny kaominina. Noroahina avokoa ireo mafiady mpivarotra amoron-dalàna satria soketaina ho mpandoto tanàna sy mibahana ny fifamoivoizana ary antony mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana. Tsy avela hanangana ny trano fivarotany izay nisy nandoro ireo mpivarotra eny amin’ny tsenan’Isotry. Noraofina avokoa ny fiara miantsona amoron-dalana ary noroahina tsy hipetraka eny amin’ny sisin’arabe ny fiaran’ny mponina eto afovoan-tanàna. Mahagaga anefa fa nomena ny orinasa tsy miankina ny fitantanana ny fiantsonan’ny fiara sasany ao Analakely sy Tsaralalàna ary Antaninarenina. Kely dia kely satria 20 isan-jaton’ny vola miditra fotsiny no mba lasan’ny kaominina fa ny 80 isan-jato dia an’ilay orinasa tsy miankina. Be ireo mitaraina, hatramin’ny polisy monisipaly aza nanao hetsika tsy fankatoavana io orinasa tsy miankina io, nefa tsy hita izay tena valintenin’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany. Tena lasa fahoriana ny monina sy mandalo eto Antananarivo renivohitra satria tsy misy afa-tsy sazy sy fandrahonana ary fanambaniana no mba hain’ireo tompon’andriakitra. Raha hampihatra ny lalàna hanova zavatra any amin’ny tsaratsara kokoa dia arahaba soa arahaba tsara ary raisina an-tanan-droa saingy toa ny sazy sy ny rahom-bava no betsaka fa Antananarivo tsy mety mivoatra.
Mbola maloto avokoa ny fokontany rehetra, ary feno lavaka ny arabe. Tampitampenana atao vonjy tavan’andro fotsiny rehefa misy tranga lehibe ho an’ny firenena nefa tsy maharitra iray volana akory dia feno lavaka fikotrehan’akoho ny lalana rehetra. Fampanantenana poak’aty ary tsy tanteraka ihany koa anefa tsy ilana volabe sy hetsika manokana akory ny fanoloana ireo takamoa amin’ny andrin-jiro natao hanazava ny lalana sy ny elakelan-trano eto andrenivohitra. Ambon’izany dia manao ny ataony ny tontakely sy mpanendaka nefa tsy mbola nanome toro-marika mazava ny eny anivon’ny fokontany mba handray andraikitra hiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny kaominina.
Manakaiky ity ny datin’ny 26 jiona dia miezakezaka mihetsiketsika indray ny eo anivon’ny kaominina. Anaovana antsojay avokoa ny mpivarotra sy ny tompona fiara izay samy roahina satria lazaina fa manelingelina. Mipetraka ihany ny fanontanina hoe manelingelina an’iza? Tsy mba misy olona manan-jo hiezaka sy hivoatra mihitsy ve izany eto amin’ity tanàna ity fa dia ny ben’ny tanàna sy ny forongony irery ihany no afaka mihetsika. Satria ve tsy mahazo mivarotra ny Tiko sy ny ny Magro nohon’ny raharaham-pitsarana mahakasika ny volam-panjakana tsy naloany dia tsy mahazo mivarotra ihany koa ny vahoaka madinika? Satria ve tsy mbola afaka mifamezivezy ny fiaran’ny oinasa Tiko dia tsy mahazo manana fiara intsony ny vahoakan’Antananarivo? Tena mankaleo ny didy jadon’ny mpitantana ao amin’ny kaominina ary tsara ho fantatr’izy ireo fa tsy ry zareo irery akory no mponin’Antananarivo ka hanjakazakany nefa tsy mahavita miasa ho an’ny vahoaka akory. Tsy tokony hadinon’ny ben’ny tanàna ihany koa fa tsy manana ny fanohanan’ny maro an’isa izany izy eto satria rehefa atao ny fampitahana dia tsy ampy iray ampahefatry ny mpifidy voasoratra anarana no nandrotsa-bato ho azy ka tsy tokony hanjakazaka sy hiseho tsy refesi-mandidy eto izy sy ny ekipany. Raha tena mahay sy mahavita dia ambaory ny tanàna, manangana tsena manara-penitra ampy handraisana ny mpivarotra rehetar ary ihany koa toeram-piantsonan’ny fiara isam-pokontany fa tsy ny efa misy no ravana sy tadiavina hamidy amin’ny mpanam-bola!
Ravalo tsy Manana