Ady atao amin’ny fanaintainana – Fanavaozana ny fitsaboana ny marary
Nanomboka omaly ary haharitra 4 andro ny ady atao amin’ny fanaintainana eto an-drenivohitra. Hetsika izay ikambanan’ireo matihanina eto Afrika mba hahafahana manentana ny mpitsabo sy ny marary handresena ny fanaintainana. Maro ny hetsika efa natao amin’ny fampianarana ireo dokotera, toy ny fanomezana valan-dresaka ireo farmasianina. Efa mandroso any amin’ny tany miteny anglisy izy io fa amin’ny tany miteny frantsay, toa an’i Madagasikara no mbola taraiky izay antom-pisian’ny hetsika izay. Sambany teto amin’ny firenena no nisy fitsaboana miantefa sy miantraika amin’ny vahoaka toy izao. Natomboka teto izy io, noho isika modely hatrany amin’ny zavatra rehetra atao. Fitaizana sy famporisihina ny vahoaka fa misy sehatra hafa afaka itsaboana ny fanaintainana. Tsy ny fanafody ihany fa misy torolalana sy toro-hevitra be dia be hanamaivanana izany. Fomba fanaovazana ny fitsaboana marary. Hetsika niainga avy amin’ny Clud Afrika ary tanterahin’ny vondrona Sanofi izay anisan’ny mpamatsy vola sy fitaovana. Sanofi orinasa mpikaroka sy mpamokatra fanafody. Tsy hijanonana eto Antananarivo ihany fa hihitatra any amin’ny faritany ny hetsika ny volana jolay ho avy izao.
Laurena Nany