Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Fanaovana « titre » faobe any Manjakandriana – Manahy fanodikodinam-bola ny vahoaka

Nisy ny fanaovana “titre” faobe ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy tetik’asa ny filoham-pirenena ary fampitaovana tany Ambatolaona sy Manjakandriana. Tsy nisy ny filazana tamin’ny haino aman-jery sy ny fanazavana mahakasika ny fanatanterahana izany fa ny Ben’ny tanàna no nilaza fa izay manana vola 70 000 ariary miampy ny sakafon’ny mpandrefy no afaka manao ka hivoaka tsy ho ela ny “titre”. Rehefa tonga anefa ny fotoana nanaovana izany dia ireo mpiana-draharaha ao amin’ny fandrefesan-tany notronin’ny Pcc (Président conseillère commercial) no nanao ny asa ary mbola nomena 5 000 ariary indray.

Tsy nijanona teo fa mbola nitaky vola 35 000 ariary isaka ny vakim-paritra ny Ben’ny tanàna hanaovana fangatahana. Taorianan’izay dia mbola namory olona indray ity farany fa tsy maintsy vidiana ny tany ary ariary dimy ny metatra toran-droa izay vinavinaina omena ny sampandraharaha ny fananantany. Niovaova teny any ny vola nalaina tamin’ireo vahoaka ary raha atambatra dia eo ho eo amin’ny arivo vaki-paritra isa ary manodidina ny 20 000 Ha ny velaran-tany ka vola amina miliara maromaro no mihodina amin’izany.

Manahy noho izany ireo vahoaka fa misy resaka fanodikodinam-bola ao anatin’io ary mangataka ny hamerenana ny volam-bahoaka ireo mponina fa ny “Titre” faobe dia fanjakana foibe no manokana vola ho fanantanterahana azy. Araka ny fanambaran’ny solontenan’ireo fokonolona dia efa nisy ny fitarainana natao ary efa am-pelatanan’ny Bianco ny raharaha.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre