Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Fitsaram-bahoaka – Jiolahy iray nodorana sy nalona tanaty tanimbary

Mitohy hatrany ary vao maika mahery vaika ny fitsaram-bahoaka teo amin’ny firenana. Nanomboka ny faran’ny herinandro dia efa olona dimy izay no niharan’ny hatezeran’ny fokonolona tamin’ny toerana samihafa. Ankoatra ireo efa-dahy miady aina mafy any Toamasina dia lehilahy iray kosa no namoy ny ainy, tany amin’ny distrikan’Antanifotsy. Tratran’ny olona teo ambaravaran’ny tokantrano iray, tany Mahatazana, fokontany Ambonivary, kaominina Ampitatafika, nikasa hamaky trano ilay jiolahy ny alin’ny 6 jiona teo, tamin’ny 9ora sy sasany. Tsy nisy alaharo alaharo intsony fa nihatra avy hatrany ny fitsaram-bahoaka. Raikitra ny totohondry sy daka ary daroka nahazo ilay olon-dratsy. Tsy nijanona teo fa mbola nototan’izy ireo biriky dia nodorana tamin’ny hazo avy eo. Tsy izay ihany fa mbola nalonan’ireo fokonolona tao an-tanimbary mbola misy rano indray izy ka sempotra ary nitarika ny fahafatesany. Efa maraina ny andro vao nisy nampandre ny mpitandro filaminana ka nidina teny nanao ny fizahana niaraka tamin’ny dokotera. Mitohy ny famotorana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre