Vous êtes ici :

Dimanche 12 Janvier 2025

ombre

Nalaza tampoka ny pelaka !

Nanaitra ny maro ny vono moka nataon’ny teratany pakistaney iray izay sahy nitifitra variraraka ireo sarim-bavy nilanonana tao anaty trano fandihizana ny alahady lasa teo. Sarim-bavy sy sarin-dahy maherin’ny 50 isa no lavo tamin’izany. Raha ny fijery azy dia tafiditra amin’ny asa fampihorohoroana miainga amin’ny fankahalana lalina ary misy idiran’ny resa-pivavahana ity vono olona mahatsiravina ity. Na inona na inona anefa antony dia tsy azo ekena mihitsy ny famonoana olona noho ny kolontsaina sy ny fitiavana tsy mitovy. Tsy vahaolana ary tsy fandresen-dahatra mihitsy ny herisetra amin’ny endriny rehetra.

Na izany aza dia nanaitra ny maro ihany koa ny fihetsiky ny ambasady amerikanina eto Madagasikara omaly izay nanery ny mpiasa teo aminy tsy maintsy hanome voninahitra ny saina famantarana ireo pelaka. Narahin’ny ambasadaoro teny toy izao izany “Ny fahasamihafana dia singa ifampizaran’i Madagasikara sy Etazonia. Fanomezana iray lehibe izay mampiavaka manokana ny firenentsika roa tonta io. Enga anie ity saina izay natsangana androany ity ho porofon’ny finiavantsika miaraka hanome lanja ny fahasamihafana, hampiseho ny fahavononantsika hanaja izany, ary ny fahatsapantsika ny hery avy amin’izany fahasamifahana izany. »

Raha atao bango tokana dia toa mamporisika ny firoboroboan’ny foto-pisainana pelaka eto amintsika ny amerikanina. Toa ataon’izy ireo tsinontsinona ny kolontsaina malagasy izay mandà hatrany ny fiarahan’ny samy lahy sy ny samy vavy. Iaraha-mahita mantsy fa efa tena manana ny lanjany sy ny toerany eo anivon’ny fiarahamonina amerikanina ireo sarimbavy sy sarindahy ary omena tombondahiny aza matetika amin’ny sehatra maro. Samy manana ny fombany io ary tsy ifanomezan-tsiny saingy kosa hita fa tena mitady hahazo vahana eto amintsika ihany koa ny sarimbavy. Tsy azo adinoina anefa fa izy ireny no niaingan’ny aretina VIH/SIDA voalohany teto an-tany. Izy ireny ihany koa no fositry ny fanolanana zaza tsy ampy taona satria raha ny statistika maneran-tany no jerena dia ny zazalahy kely no tena be mpanolana.

Raha eto Madagasikara manokana dia manohitra io avokoa ny kolontsaina misy sy matanjaka rehetra. Ny fivavahana kristianina izao dia tsy azo adinoina fa antony nandoran’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora ny fahotana mahafaty nataon’ireo pelaka izay efa nikasa mihitsy hanolana ireo anjely nirahina avy any an-danitra. Ho an’ny silamo indray dia mazava ho azy fa tena faran’izay tsy eken’izy ireo izany sarimbavy izany. Any amin’ny firenena betsaka silamo sy Arabo any dia sazy henjana mety hiafara amin’ny fanamelohana ho faty mihitsy no miandry ireo izay mitady hanaparitaka ny kolontsaina pelaka. Ny razamben’ny malagasy ihany koa dia tsy nandrenesana firy izany sarimbavy izany ary raha ny fiarahamonina manokana no jerena dia tsy manaiky io fomba fanao mampivady ny olona mitovy fananahana io.

Ny tena mahagaga dia teren’ny vahiny hanaiky io fomba io ny malagasy ary efa misy mikasa ny hampiditra lalàna hanekena ny fivadian’ny lahy sy ny lahy ary ny vavy samy vavy mihitsy any ho any. Misy ihany koa ireo mpitondra fivavahana kristianina sasany mitady hanaiky ny hanamasinana fanambadian’ireo pelaka eto amintsika. Tsiahivina etoana fa nisy pelaka gasy roalahy nivady tany Frantsa ary tena natao nalaza sy makotrokotroka teto Madagasikara izany manoatra noho ireny olomangam-pirenena ireny mihitsy. Tsy azo adino ihany koa anefa fa rotaka be mintsy tany Paris sy ny renivohitra maro tao Frantsa tamin’ny naneken’ny parlemanta frantsay ny fanambadiana pelaka. Asa hanao ahoana ny hevitry ny vahoaka malagasy raha ho tonga eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna toy izany? Araka ny fantatra mantsy dia misy foto-kevitra vaovao mikasa ny hanao volavolan-dalàna hanekena ny fisoratam-panambadian’ny pelaka eto Madagasikara any ho any. Tranga tsy fahita nefa efa nampoizina ihany satria iaraha-mahalala fa mpanara-drenirano izay zava-mitranga any ivelany ny malagasy. Rehefa tsy mahita hirika nampidirana ny kolotsaina pelaka tany amin’ny firenena arabo sy islamo mantsy ry zareo tandrefana dia mitodika aty Afrika indray. Efa maro ny firenena Afrikanina no lasibatr’io kolotsaina pelaka io ary i Madagasikara dia manomboka efa tafalatsaka tsikelikely amin’ny fanekena ny pelaka eny anivon’ny asa sy ny fiarahamonina. Mety hitondra savorovoro sy disadisa anefa ny fahamaroan’ny olona sarindahy sy sarimbavy.

 

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre