Vous êtes ici :

Dimanche 12 Janvier 2025

ombre

Analanjirofo – Hisokatra ny 12 jolay ny taom-piotazana lavanila

Ny 10 jona lasa teo no notanterahina tany Maroantsetra ny atrikasa momba ny lavanila ao anatin’ny faritra Analanjirofo, izay nandraisan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny famokarana, fikirakirana ary ireo mpanangom-bokatra. Fotoana izay nandraisan’ireo mpisehatra fepetra hentitra mahakasika ny paikady entina hiadiana amin’ny halatra. Tafiditra ao anatin’izany ny fikarakarana taratasy amin’ny fividianana ny vokatra. Nofaritana koa ireo arofanina amin’ny fikajiana ny kalitaom-bokatra ka ho apetraka isaka ny fokontany sy ny kaominina ireo paikady. Nandritra ity atrikasa ity ihany koa no nametrahan’ireo mpisehatra ny daty hanokafana ny taom-piotazana lavanila 2015-2016, ka ny 12 jolay ho avy izao no hanaovana izany. Miankina amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny faritra Analanjirofo sisa ny ivoahan’ny daty ofisialy.

Mampalahelo anefa ny zava-miseho any an-toerana amin’izao fotoana izao fa araka ny fitarainan’ny mponina dia efa tsy ahitana voany intsony eny ampotony. Manahy  amin’ny mety hoavin’ny famokarana lavanila izay mampalaza an’i Madagasikara izy ireo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre