Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Androndrakely – Rongony 44 gony sarona tao anaty Mazda

Olona miisa 3 indray no sarona niaraka tamin’ny rongony 44 gony tao anaty fiara marika Mazda. Ny faran’ny herinandro lasa teo, tamin’ny 7ora sy sasany hariva no nahatratrarana izany, teny amin’i By pass Androndrakely, rehefa naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Nanambara ny loharanom-baovao fa misy fiara “mini-bus” iray mitatitra rongony  maromaro avy eny Iavoloha ho any Ifarihy tamin’io hariva io. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana nanao ny vela-pandrika ka telolahy no voasambotra tao anatin’ilay Mazda ary mpamily ny iray. Rehefa nosavaina ilay fiara dia ireo tokoa ny rongony miisa 15 gony. Tamin’ny fisavana ny tranon’izy ireo tany Ifarihy indray avy eo no nahatratrarana rongony 29 gony. Tamin’ny famotorana natao azy ireo no nilazan’ilay mpamily fa 50 000 ariary no karamany nitatitra ireo rongony ireo. Ny roa hafa kosa nilaza fa mpitahiry sy mpanaparitaka ireo entana ireo eto an-drenivohitra. Nilaza ihany koa izy ireo fa avy any atsimon’i Nosy no fiavian’ireo entana ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre