Ankadivato – Jiolahy roa lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana
Mihena roa indray ireo mpanao ratsy eto amin’ny tanàna. Nirefodrefotra ny poa-basy omaly maraina, tokony ho tamin’ny 10ora sy sasany, teny Ankadivato. Jiolahy roa nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny an-toerana no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana. Telo lahy izy ireo tamin’ny voalohany fa ny iray tafaporitsaka. Araka ny fanambaran’ny polisy dia jiolahy raindahiny efa nokarohina hatramin’ny ela izy ireo. Ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana dia malaza ratsy amin’ny fanolalana tovovavy ihany koa ry zalahy. Efa nanomboka ny alahady lasa teo no efa narahi-maso avy any Ambohitrarahaba ary io tonga teny Ankadivato io. Polisy nanao fanamiana tsotra no nanaraka azy ireo nefa tamin’izay fotoana izay indrindra no nifanehitra tampoka tamin’ny polisy iray hafa manao fanamiana mpitandro filaminana ka naniraka azy ireo nijanona avy hatrany. Saingy tsy nety nijanona ireo jiolahy fa namoaka basy avy hatrany ka raikitra ny fifampitifirana. Nipoaka in’efatra ny basy ka lavo tamin’izany ireo roalahy. Sarona teny amin’izy ireo ny basy vita gasy iray sy ny basy marika Mak 50.
Laurena Nany