Euro 2016 – Nofitahan’ny ministeran’ny serasera ny vahoaka malagasy
Lalao efa ho am-polony sahady izao no efa vita amin’ity kitra Euro 2016 ity izay atao any Frantsa any amin’izao fotoana izao. Nanomboka tamin’ny zoma lasa teo ny fifaninanana. Ny lalao nihaonan’ny Frantsa sy Romania, izay niafara tamin’ny fandresen’ny firenena frantsay tamin’ny isa 2 noho 1, no lalao voalohany. Raha tsiahivina dia nanao filazana tamin’ny alalan’ny “bande annonce” ny televiziona nasionaly (Tvm) fa handefa ireo lalao rehetra hiseho mandritra ity fifaninana isan’ny goavam-be eran-tany ity. Mazava ho azy fa tena liana tokoa ny ankamaroan’ny mponina no sady tsara fitontona ny lalao amin’izao fotoana izao satria manakaiky ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena.
Nahagaga anefa fa ny alahady teo dia foana tsy nisy intsony izany fandefasana mivantana ny lalao baolina kitra Euro 2016 izany kanefa dia lalao telo be izao no voalahatra ary heverin’ny maro fa isan’ny lalao tena goavana tokoa. Teo, ohatra, ny tamin’ny efatra ora hariva izay fihaonan’ny Turquie sy Croatie. Ampitaina amin’ny alalan’ity lahatsoratra ity izany, ho an’ny Malagasy tsy vakivolo izay tsy nampahitàna ny lalao fa nandresy ry zareo croate tamin’ny isa 1-0. Ny alahady ihany fa tamin’ny 7ora hariva kosa indray dia nandresy an’i Irlande Avaratra tamin’ny isa 1-0 i Pologne.
Loza
Mba tena fanirian’ny maro ny hahita indray ireo mpilalao alemana izay nihaona tamin-dry zareo avy any Ukraine, izay nisaraka tamin’ny isa 2 – 0. Efa tena sahirana mihitsy ny alemana vao tafavoaka. Soa fa nisy ny radio Rfi, izay nihainoan’ny mpanoratra ka nahalalana ireo vokatra ireo. Araka ny efa voalaza etsy ambony dia namitaka ny tao amin’ny televiziona Malagasy ary tsy vao voalohany akory izao fa efa nisy tranga toy izao ihany koa tany amin’ny taona 2014 tany nandritra ny fampitana ny amboara maneran-tany.
Indrisy! diso fanantenana tanteraka ireo malagasy mpankafy baolina kitra. Misy ny milaza any amin’ireo tambazotran-tserasera maro fa natakalon’ny minisitry ny serasera sy ny talen’ny kabinetrany, vola indray ny mba fialambolin’ny vahoaka tsy mandady harona. Naleon’izy ireo miaro ny tombontsoan’ny orinasa vahiny mivarotra ireny “televisions par cable” ireny. Ny tena loza amin’izao toe-javatra izao dia lasa ratsy endrika eo imason’ny mponina ny fitondrana iray manontolo, indrindra ny filoham-pirenena satria nanome toky ny Televiziona Malagasy fa handefa ireo lalao rehetra kanefa toa tsy tanteraka indray. Sanatria ve hataon’ny hafa kilalao indray?
J.L.R