Taolam-paty – Atao inona marina ary iza no mila azy?
Isan’ireo varo-maizina mirongatra eto amintsika ny fivarotana sy fividianana taolam-paty. Betsaka ihany ireo tranga efa notaterina an-gazety tao anatin’ny taona maro. Iza no mila ireo taolam-paty angalarina etsy sy eroa ireo? Ary anaovana inona izy ireny? Hatreto dia mijanona ho mistery tanteraka ny antony ilana ireo taolambalo ireo.
Taolan-dava no tena lasibatra
Hatramin’izay, nahasarotiny ny Malagasy izany resaka razana sy ny tontolony izany. Ankehitriny anefa, sahin’ireo olon-dratsy ny manimbazimba azy ireny amin’ny famakiana fasana etsy sy eroa. Saika ny faritra rehetra manerana ny Nosy no ahenoana halatra taolam-paty. Efa tsy misy tahotra sy tsy misy henatra intsony fa tena very hasina tanteraka ny razana. Ny mahagaga anefa ireo taolan-dava, toy ny taolam-pe, taolan-dranjo ary ny sandry sy lanton-tanana, ihany hatreto no tena lasibatra.
Anamboarana “tendeur” valizy
Misy ireo milaza fa hanamboarana fitaovana fanondranana vovoka drogy mahery vaika toy ny “héroïne” sy “cocaïne” indray ny taolam-paty. Araka ny voalaza dia tsy mahomby loatra intsony ny fampitelemana bolabola na “géllule” voasesika “héroïne” sy “cocaine” na fanisihana azy any anaty lavabody, satria matetika no vaky mialoha ny hahatongavana any amin’ny toerana tokony handefasana azy izy ireny ka mamparary na mahafaty ilay olona ampitelemana azy. Potehina ho lasa vovony ny taolam-paty, avy eo ampiarahina amin’ny taharo hafa ho lasa paty. Io paty io indray no polesina hanamboarana “tendeur” na fanenjanana ampiasaina amin’ireny valizy na “sac à main” ireny. Asesika ao anatin’ilay “tendeur” ny vovoka zava-mahadomelina avy eo. Araka ny voalaza hatrany, mahazaka antsasa-kilao hatramin’ny 5kg isaka ny mandeha ny valizy iray, izay mety ho akanjo no ao anatiny. Manodidina ny fito hetsy ka hatramin’ny roa hetsy sy iray tapitrisa ariary no ivarotana ny iray grama amin’ireto farany.
Tsy hitan’ny “scanner”
Ho an’ireo mpahalala dia tsy hitan’ny fitaovana fanaraha-maso ny entana mivoaka sy miditra eny amin’ny seranam-piaramanidina na ireny antsoina hoe : “scanner” ireny ny singa avy amin’ny olombelona ka izay no mety tsy ahatratrarana ireto drogy mahery vaika ireto. Avy any Afrika, toy ny firenena Tanzania sy Kenya no anafaran’ireo firenena mpanafatra dia tonga eto asisika anaty valizy mba haondrana any Eoropa sy Azia mipaka hatrany Etazonia any. Tambajotra matanjaka izy io, ka ireo karana sy Afrikanina ary Malagasy no miray tendro ao anatiny.
Resaka avokoa
Betsaka ireo antony nolazaina fa ampiasana ireo taolana saingy tsy fantatra mazava ny fahamarinany. Ao ny milaza fa atao fanafody. Misy ny manamafy fa azo avadika diamondra sintetika ny taolam-paty rehefa ampiana taharo hafa. Petrakevitra daholo izany fa mbola tsy voaporofo marina. Ny zava-misy aloha hatramin’izao, mirongatra ny famakiana fasana ary voazimbazimba ny maty. Tranga voaray farany izao ny fahitana taolam-paty 122 isa, tany amin’ny distrikan’i Tsaratanana, ny alakamisy 2 jona, tamin’ny 10ora maraina. Raha tsiahivina dia ny sefo fokontany tao Andriamena no nahatsikaritra izany ka nampilaza avy hatrany ny borigady tany an-toerana. Taorian’ny fitsirihana natao dia noentina tany amin’ny kaominina Andriamena ireo taolam-paty ireo. Tsy nisy olona tratra na nitonona ho vaky fasana hatramin’izao ka mbola mitohy ny fanadihadiana.
Tsy mety ahitam-baliny ireo fanontaniana
Anaovana inona marina ny taolam-paty? Ary iza no mila azy io? Tsy mety ahitam-baliny ireo fanontaniana ireo hatramin’izao. Na ny mpitandro filaminana izay nanontaniana aza, samy tsy misy mahavaly ny antony ilàna azy ireny. Saingy fantatra kosa fa misy ny olona mpangalatra sy mpanelanelana ary mpivarotra voasambotra, fa na ireo koa aza, milaza ho tsy mahafantatra ny tena ilàna izany. Ny famotorana efa natao hatramin’izay ka hatramin’izao izay tsy mety tonga any amin’izay tena mpila azy. Nefa, lafo dia lafo tokoa no ivarotana azy. Araka ny feo re, enina alina ka hatramin’ny telo hetsy ariary no handraisan’ny mpanera ny taolam-paty iray kilao. Raisin’ny karana hatramin’ny roa hetsy sy iray tapitrisa ariary indray avy eo.
Laurena Nany