Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Filoha mora baikona !

Hatramin’ny andron’ny tetezamita dia lazaina hatrany fa ireo olona manodidina ny Filoha no tena ratsy sy manolo-bato mafana ka nahatonga ny tsy fahombiazana teto Madagasikara. Nony injay anefa nifarana ny tetezamita dia vao maika nitombo io tranga io ary misy mihitsy ireo sahy manizingizina tsy manana porofo fa ireo mpanolo-tsaina ao an-dapa no tena mibaiko ny filoha. Ny tena olana amin’ny raharaha toy izao dia ireo olona samy ao anaty fitondram-panjakana ihany no mifanaratsy sy mifanenjika noho ny ady seza sy voninahitra. Tsy misy hirika mihitsy mantsy hahafantaran’ny mpanao gazety na ny olon-tsotra ety ivelany izay zava-mitranga any anaty lapam-panjakana any raha tsy ry zareo miasa ao ihany no mamoaka izany. Izay tsy mahazaka ny fifaninanana anatiny dia mamadika sy mamoaka ny zava-misy mba hanalam-baraka ireo mpiara-miasa aminy ihany. Lazaina fa i Ranona na i Ranona no tena mibaiko ny filoha ka mahatonga azy maka fanapahan-kevitra diso sy tsy mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka sy ny firenena. Mahagaga ihany anefa fa efa nisy ireo olona akaiky ny filoha izay voatondro molotra ho be baiko ao an-dapa no nesorina tamin’ny toerany nefa toa tsy mbola miova ihany ny zava-miseho. Lasa ny mamba misosoka ny voay hoy ny fitenenana ka rehefa noesorina ireo noharatsiana dia misy hafa indray endrikendrehana.

Raha ny zava-misy hita mivantana anefa dia tsy ireo olona ao anaty fitondram-panjakana no sahy mibaiko ny filoha fa ireo ety ivelany. Farany teo izao dia nanome baiko ny filoham-pirenena ny solombavam-bahoaka miaro ny ara-dalàna. Niantso avy hatrany izy ireo mba hanafoanan’i Hery Rajaonarimampianina ny didy fampisamborana ny loholona Lylison izay ataon’ny fitondram-panjakana hazalambo amin’izao fotoana izao. Ireo mpanao politika avy amin’ny mpanohitra sy ny mpitarika sendika ihany koa dia efa nanome baiko ny filoha mba hametra-pialana mba hirosoana amin’ny fifidianana mialoha ny fotoana. Ankoatra izany dia maro ny olona no manome baiko ny filoha hiala na hanatanteraka ireo fampanantenana nataony tamin’ny andron’ny fampielezan-kevitra.

Ireo rehetra ireo dia afaka ilazana fa filoha mora baikona no tena ilain’ny ankamaroan’ny malagasy fa raha tsy izany dia hisy hijoro foana eto hanohitra sy hitaky ny fialan’ny mpitondra. Rehefa tsy manaraka ny sitrapon’ny sendika sy ny mpanao politika mantsy ny mpitondra dia tsy maintsy miafara amin’ny hetsika fitakiana samihafa ny toe-draharaha. Sarotra ihany anefa ny hahita olona hanao filoham-pirenena ka hanaiky lembenana fotsiny hanatanteraka izay fitakiana etsy sy eroa. Hiafara amin’ny fanjakan’ny baroa ny fiainana eto Madagasikara raha izany satria samy manana ny fitakiany ny sehatra sy vondrona tsirairay ary hampiaka-peo izay tsy ho henoina sy harahin-teny.

Tsy hahita izany filoha mora baikona izany ny malagasy na ho aiza na ho aiza fa raha tena mila olona hendry sy mahay ary mandinika sy mahavita dia mila misaina tsara rehefa mifidy fa tsy hanaiky ho fitahina amin’ny kabary tsara lahatra miampy fizarana patsa in-dray mahandro fotsiny. Iaraha-mahalala mantsy fa tsy dia mandinika ny mety hahavitan’ny kandida iray ny fampanantenana ataony ny mpifidy malagasy fa mifantoka fotsiny amin’ny tora-po sy ny halako bika tsy tiko tarehy, ary ny fandraisana fanampiana kely tsy mahavita taona akory. Lany tamin’ny fifidianana demokratika ny mpitondra ankehitriny ary ny tena mahagaga dia ireo nampandany azy ihany no tena mitady ny hirika rehetra hanilihana azy eo amin’ny fitondrana. Vitan’ny hoe diso safidy sy voafitaka fotsiny ny fialan-tsiny fa tsy mba manaiky mihitsy hoe tsy nandinika tsara talohan’ny nanohana ny kandidan’ny HVM. Mora marina ny manilika ny fahombiazana any amin’ny hafa rehefa tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny tetikady.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre