Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Fisorohana sy fitsaboana ny aretin’ny tsinay – Manam-pahaizana 25 hikaon-doha mandritra ny roa andro

Hotanterahina rahampitso alakamisy handritra ny roa andro, ao amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ny famelabelaran-kevitra lehibe iraisam-pirenena momba ny « prévention et le traitement des pathologies gastro-intestinales », karakarain’ny fikambanana Médico-chirurgicale de Gastro-Entérologie de Madagascar (Agem) sy ny fikambanana Australian Doctors for Africa (Adfa). Ity fikambanana Aostralianina ity dia efa nanomboka ny taona 2005 no nitsabo sy nanao asa sosialy ary nanatsara ny fotodrafitrasam-pitsaboana maro teto amin’ny nosy, ka anisan’izany ny fanatsarana nisy tao amin’ny hopitaliben’i Toliara, ny hopitaly fandidiana tao Antsirabe, ny fanamboarana toeram-pitsamboana manonkana ho an’ireo zaza bizo tongotra (pied-bot), ny fampitaovana ara-pitsaboana (radiologie, fibroscopie…) tamina hopitaly maro, ary ny fanampiana ara-bola 1 tapitrisa dolara Aostralianina amin’ny fitsaboana manokana ny aretina « gastro-entérologie », sns.

 

Hitady vahaolana mahomby amin’ny fampihenana ny isan’ireo matin’ny aretina

Raha ny fantatra araka ny fanazavana azo dia manam-pahaizana 25 isa maneran-tany, izay ahitana Profesora sy Dokotera malagasy, Frantsay, Anglisy, teratany Soisa ary Aostralianina no hikaon-doha mandritra ny roa andro, ka anisan’izany i Pr Barry Marshall (conférencier principal) sy i Dr Robin Warren izay « Prix Nobel de Médecine en 2005 ». Raha tsiahivina ny tantara dia ireto mpitsabo mirahalahy ireto no nahita voalohany ny aretina « Helicobacter pylori » ny taona 1982. « Hitady vahaolana mahomby amin’ny fampihenana ny isan’ireo matin’ny aretina ireto manam-pahaizana ireto », raha ny nambaran’i Pr Rado Ramanampamonjy, Co-directeur de la Conférence, « satria anisan’ny aretina mbola mamono ankizy maro eto Madagasikara ny takilidrano na ny bilharziose ». Tombony lehibe ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka ary ny mpikaroka malagasy ny fandraisana izao famelabelaran-kevitra izao sy i Pr Barry Marshall, olomanga malaza eran-tany eo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Nisaoran’ity mpitsabo manam-pahaizana Malagasy ity manonkana ireo mpanohana ny hetsika dia ny Akademia Malagasy, Mada-Aust, Toliara Sands et Jean-Boulle MEDTECH.

 

Eric RAKOTOSON 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre