Boriborintany Ankirihiry – 15 000 Ariary no manao karapanondrom-pirenena
Mampitaraina ny olona any amin’ny boriborintany Ankihirihiry any Toamasina ny fikarakarana antontan-taratasy ao amin’izany toerana izany, indrindra ny fanaovana karapanondro. Efa very fotoana amin’ny fiandrasana sy ny fiivezivezena ao amin’ny birao ny vahoaka nefa mbola manjaka ihany koa ny kolikoly. Teo anatrehan’izany, velon-taraina omaly, ny renim-pianakaviana iray noho ny ataon’ireo mpiasa ao satria tena maka vola be tokoa. Nilaza izy fa “mitaky vola 15 000 Ariary ny mpiasa sasany ao amin’ity birao ity vao manao ny asany amin’ny fanamboarana karapanondro ka raha tsy manana izany dia tsy asiana fijerena ny an’izay tsy manana fahafahana mandoa io vola io”.
Tsy ampy ny fitaovana
Fantatra mantsy fa misedra olana ara-pitaovana ireo mpiasa, indrindra ny lafiny taratasy manokana fanamboarana ity famatarana ny maha olom-pirenena ity, izay marihina fa tsy miankina amin’ny boriborintany Ankirihiry akory. Heverina mantsy fa izay olana izay no antony mahatonga ireo mpiasa sasany manao kolikoly. Saingy nanda mafy ireo mpiasa rehefa nanontaniana ny mahakasika ity fitakiana vola be ity. Araka ny fanambaran’ny mpiasa iray dia “Ekena fa misy ihany ny vola aloa toy ny fanaovana dika mitovy sy ny sarany amin’ny fanaovana karapanondro fa saingy tsy tonga hatrany amin’ny 15 000 Ariary izany mihitsy.” Na eo aza izany rehetra izany dia misokatra ho an’ny rehetra ny birao ary vonona ny hanome fahafaham-po ho an’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka ny mpiasa ao.
L.N