Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Ady lova – Renim-pianakaviana nambanan’ny polisy tamin’ny basy tao an-tranony

Polisy roalahy nilanja basy niaraka tamin’ny vadintany iray no indray tonga tato an-tranoko ny alakamisy teo”, hoy i ramatoa Razafindrasoa Angèle. Ady lova  sy disadisa teo aminy sy ny havany akaiky no nolazainy fa nahatonga ny fandefasana polisy teny amin’ny trano fonenany Ankaraobato. “Nanana lova nitambarana izahay, ny anjaran’ny anadahiko dia efa namidiny taminay ihany. Nivadika anefa izy taty aoriana ka izahay indray no lazainy fa mbola ananany vola mitentina valo hetsy Ariary” . Io ambim-bola io no voalaza fa notakian’ireto mpitandro filaminana ireto tany an-tranony.  Rehefa notakian’ilay renim-pianakaviana ny taratasy manamarina fa maha vadintany am-perinasa ity  milaza ho manam-pahefana anefa dia nilaza fa adinony any an-tranony ny karatra. Tsy nanaiky ny fidiran’ireo olona ireo tao aminy, noho izany izy ka nambanan’ireo polisy tamin’ny basy avy hatrany.

Miantso ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana

Ankoatra io anefa nanamafy ihany koa ramatoa Razafindrasoa Angèle fa iharan’ny fandrahonana foana izy sy ny ankohonany manoloana ity resaka lova ity ary efa misy ny namoy ny ainy. “Maty nisy namono tany amin’ny toeram-piasany ny vadiko, tsy mbola fantatra izay tena tompon’antoka tamin’ny famonoana fa voarohirohy tamin’izany ity anadahiko ity. Ny reniko ihany koa nokendainy tao an-trano rehefa tsy nety hanao didy miafina mahakasika an’ireo lova sisa tavela”, hoy ny fanazavany hatrany. Io anadahiny iraitampo aminy io ihany no nambarany fa tompon’antoka tamin’izany rehetra izany. Efa nisy ihany koa ny fitarainana nataony tany amin-dRamatoa minisitry ny mponina manoloana ny zava-mafy mihatra aminy araka ny filazany fa mbola miantso ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro filaminana izy mba hijery akaiky ny raharaha.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre