Vous êtes ici :

Mercredi 15 Janvier 2025

ombre

Atao havana raha misy patsa ny mpanao gazety

Nanaitra ihany ny nampidiran’ny Solombavam-bahoaka indray ilay andinin-dalàna hahafahana managadra ny mpanao gazety noho ny asany. Nanaitra satria hatramin’izay ny Antenimieram-pirenena dia nosokajiana ho sehatra ho an’ny demokrasia. Nisy fotoana aza tena nahazo anaram-bositra mihitsy ny tao Tsimbazaza hoe kianjan’ny demokrasia satria ao no iaingan’ny fahafahana miteny sy manakiana amin’ny ara-dalàna ny tsy fanaparam-pahefana sy ny fomba fiasan’ny mpitondra. Anisan’ny antokon’asa vitsy dia vitsy sahy mitondra ny hetahetan’ny vahoaka sy tsy mijery arina an-tava fa milaza am-pahibemaso ny tsy mety eto amin’ny firenena ny mpanao gazety sy ny Solombavam-bahoaka. Ity farany anefa dia efa manana ny antsoina hoe : zo tsy azo enjehina na dia heloka bevava toy ny kolikoly, ny fanondranana rongony, ny firaisana petsapetsa amin’ny fanodikodinam-bolam-pajakana sy ny halatr’omby izao aza no mahavoarohirohy ny sasany amin’izy ireo. Ny mpanao gazety kosa dia tsy misy mpiaro fa gadrain’ny fanjakana vao sahy miteny ny marina. Nazava ny tatitry ny amerikanina vao tsy ela akory izay mikasika ny fanondranana andramena. Novantanin’ny be kintana fa ireo olona sahy nanondro ny mpanondrana andramena no tena betsaka nigadra fa tsy ireo voarohirohy ho mpanao trafika. Nisy ny mpanao gazety efa nogadraina satria sahy niteny ny tsy mety, toy izay nitranga teto amin’ny Madagascar Matin. Tsy nanao heloka bevava toy ny fanonganam-panjakana, trafikana andramena sy volamena, famonoana olona, fanafihana mitam-piadiana, fanaparitahana rongony, na ihany koa kolikoly avo lenta anefa no nataon’ny gazety fa nitatitra vaovao fotsiny. Ny hisorohana ny fiverimberenan’io tsy rariny sy fanaparam-pahefana mahazo ny mpanao gazety io no antony namolavolana ilay lalàna vaovao hifehy ny serasera ary notsindriana tamin’izany ny zo tsy hogadraina raha toa ka tao anatin’ny tontolon’ny asa. Izany hoe ny vaovao navoaka no mahavoasaringotra amin’ny raharaham-pitsarana. Mahagaga anefa fa nolanian’ny solombavam-bahoaka mangingina tany ho any ilay volavolan-dalàna voalaza fa heloka bevava amin’ny fandefasana vaovao amin’ny internet (cybercriminalité). Ny hifehy ny serasera no noheverina hanitsiana izany nefa toa nampidirin’ny Solombavambahoaka tao indray ilay andininy fanagadrana mpanao gazety noho ny asa. Tena tsy misy mangarahara ary tsy mazava mihitsy ny asan’ireo Solombavam-bahoaka ireo satria tsy misy olona mahazo sy mahafantatra izay ao anatin’ny volavolan-dalàna lanian’izy ireo raha tsy efa lany ilay izy. Mba mangataka dika mitovy ihany mantsy ny mpanao gazety rehefa misy volavolan-dalàna atolotry ny Governemanta eny Tsimbazaza nefa tsy misy mety manome na ireo minisitera na ireo Solombavam-bahoaka. Tsy mahagaga rehefa lavin’ny sehatra iantefan’ilay lalàna izay lany eo. Efa lasibatra tamin’izany avokoa ny sehatr’asam-panjakana maro amin’ny ankapobeny. Rehefa tena jerena dia toa mpiray antoka ihany ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna eto Madagasikara. Sarintsariny fotsiny ny fisaraham-pahefana sy ny ady saritaka ifanaovan’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ny solombavam-bahoaka rehefa misy ny fihaonana eny Tsimbazaza. Toa lany amin’ny itiavan’ny Governemanta azy avokoa mantsy ireo lalàna rehetra natolotra teny Tsimbazaza. Fihetsiketsehana fotsiny no betsaka eny amin’ity andrim-panjakana ity fa toa ataon’ny fitondrana ho mpanangan-tanàna sy handany ny volavolan-dalàna rehetra izay atolony. Mitombina ihany ny filazan’ny filoha mpanorina no sady mpitarika ny antoko politika MMM, izay niteny fa efa tsy mahasolo tena ny mpifidy intsony ny ankamaroan’ireo depiote satria efa namadika palitao. Mihazakazaka sy may volon-tratra mihitsy, miantso mpanao gazety, ny ankamaroan’ireo solombavam-bahoaka rehefa manana olana manokana ara-politika, na mahakasika ny tsy nety nataony tany ambadika tany nefa vao mahazo fahefana kely dia tsy mba mijery akory ny fomba entina hanatsarana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Adinon’izy ireo fa ny mpanao gazety sisa eto no azo ambara ho tena solombavam-bahoaka satria sahy mitatitra ny zava-misy rehetra eny anivon’ny fiarahamonina. Raha ho gadraina amin’ny asany ny mpanao gazety dia iza intsony izany no mba hitondra ny tenin’ny vahoaka? Ny depiote aloha dia tsy azo antenaina raha ny vokatry ny asan’izy ireo tao anatin’izay roa taona sy tapany niasany izay no jerena.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre