Fanaparam-pahefana – Mbola tsy hita ilay miaramila mpamono olona
Karohina fatratra amin’izao fotoana izao ilay miaramilan’ny Rts fantatra amin’ny anarana hoe : Rebetra. Ny famonoana ho faty ny renim-pianakaviana iray tany amin’ny kaominina Ankaranana any amin’ny distrikan’i Soavinandriana sy ny fitazomana basin’ny rezimanta misy azy no ikarohana azy. Efa tamin’ny zoma alina teo no tsy hita popoka ny tenany taorian’ny nanaperany ny ain’ilay renim-pianakaviana. Tsy fahazoana toaka tao an-tokantranon’ity farany no voalaza fa nahatonga ny famonoana. Raha tsiahivina dia nanao tsy mandrimandry ny tokantrano nidiran’ilay miaramila ny alin’io satria hanao forazaza. Vao naheno naresadresaka i Rebetra dia tonga tao nangataka toaka saingy nilaza tsy nanana ireo fianakaviana ka norahonany sady noratrainy tamin’ny vodibasy ny rain’ilay ramatoa namoy ny ainy. Raha nihazakazaka nikasa hivoaka hiantso vonjy kosa ilay renim-pianakaviana tamin’io fotoana io dia notifiriny avy ao an-damosina ka maty tsy tra-drano.
Efa mateti-piseho
Tsy vao izao fa efa mateti-pitranga ny fanaparam-pahefana ataon’ireo miaramilan’ny Das tahaka izao. Vao volana vitsy izay no niasan’io miaramila io tany amin’ity kaominina ity, araka ny fanambaran’ireo mponina any an-toerana. Tsapan’ny fiarahamonina anefa fa matetika mampitondra faisana azy ireo loatra ary izao niafara tamin’ny fandatsahana aina izao. Raha tsiahivina ihany koa dia tsy vao izao famonoana tany Ankaranana izao ihany no fihoaram-pefy nataon’ireo mpitandro filaminana fa efa nisy ihany koa tany Bevato Tsiroanomandidy. Teo ihany koa ny famonoana olona tsy manan-tsiny tany Bongolava nandritra ny hetsika fahalemana izay nampiteraka disadisa tamin’ny foko Antandroy sy ny miaramila. Tranga iray nahoraka koa ilay famonoana nataona’ny miaramila tamin’ny sakaizany teny Ampitatafika, volana vitsy izay. Ity farany izay efa nitonon-tena rehefa taty aoriana.
L.N