Vous êtes ici :

Mercredi 15 Janvier 2025

ombre

Halatra lavanila – Lasibatra ihany koa Antanambao Ambakirano

Ny 20 jona ho avy izao no fantatra fa hisokatra ny fotoam-piotazana lavanila, any amin’ny distrikan’i Sambava.  Miha mirongatra hatrany anefa ny halatra lavanila amin’izao ankatoky ny fisokafany izao. Tanàna iray antsoina hoe Antanambao Ambakarino, any amin’ny kaominina Anjijaomby indray no lasibatry ny andian-jiolahy mitam-basy, ny faran’ny herinandro lasa teo, tokony ho tamin’ny 11ora sy sasany. Nipoapoaka ny feom-basy nandritra ny fanafihana ka samy namitsaka tao an-tranony avokoa ny fokonolona fa tsy nisy sahy nifanandrina tamin’ireo mpangalatra. Vokany, ripaka tsy nisy niangana avokoa ny lavanila teny an-tsaha. Efa lasa ireo olon-dratsy vao sahy nampandre ny mpitandro filaminana ireo lasibatra. Efa mandeha ny fanadihadiana sy fikarohana ireo jiolahy.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre