Vous êtes ici :

Mercredi 15 Janvier 2025

ombre

Itaosy – Mpamaky trano telo mianadahy voasambotra

Olona telo mianadahy malaza ratsy amin’ny famakiana trano eny Itaosy no voasambotra ny polisy ny alatsinainy 13 jona lasa teo, teny Ambaniala, tokony ho tamin’ny 7ora maraina. Araka ny voalaza dia tsy mifidy ora hanaovana ny asa ratsy izy ireo saingy manararaotra kosa ny tsy maha eo ny tompon-trano toy izay nahazo ny renim-pianakaviana monina eny amin’ny toerana voatonona etsy ambony. Ny 2 jona lasa teo no fantatra fa nisy niditra an-tsokosoko ny trano fonenany tamin’ny fotoana nandehanany niantsena. Gaga ilay tompon-trano raha nahita fa nitohana biriky ny varavaran’ny tranony tamin’ny fiverenany. Rehefa nojerena ny tao anatiny dia nanjavona avokoa ny entana. Raha nanontaniana ny manodidina dia nisy nilaza fa nahita olona niditra tao ary nahita vehivavy nitondra “lecteur”. Nametraka fitoriana avy hatrany ilay ramatoa ary izy telo mianadahy no voasambotra rehefa natao ny fanadihadiana sy ny fikarohana. Niaiky ny heloka vitany avokoa izy ireo nandritra ny famotorana natao ary nanazava fa ny roalahy miditra ao an-trano mitady izay ho entana azo alaina fa ilay vehivavy kosa mitazana olona eny ivelany. Omaly no natolotra ny fampanoavana izy telo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre