Miandrivazo – Miteraka savorovoro ny fanafahana an’i Kohen Rivolala
Ny 23 janoary lasa teo no nomelohan’ny fitsarana herintaona an-tranomaizina i Kohen Rivolala. Dimy volana aty aoriana anefa nomena fahafahana ny tenany, izay tsy mazava ny antony. Manoloana ity fanapahan-kevitry ny fitsarana ity dia misavorovoro tanteraka ireo mponina any Miandrivazo amin’izao fotoana izao, indrindra ireo ray aman-dreny, izay nilaza fa tsy hanaiky fa hampiakatra ny raharaha. “ Miteraka savorovoro aty Miandrivazo ny fanafahan’ny fitsarana an’i Kohen Rivolala. Famosaviana ny zanakay no nataony ary nanaporofo izany ny nahatratrana fanafody gasy isan-karazany sy nanononan’ireo zanakay ny anarany teo am-pihetsehana ny ambalavelona”, hoy Razafindrazaka L., raiamandreny mpitory an’i Kohen Rivolala. Fantatra fa nihoatra ny 80 isa ireo tovovavy mpianatra no tratran’ny ambalavelona tany Miandrivazo tamin’iny fotoana iny. Ny 30 tamin’ireo raimandreny ihany anefa no natao fanadihadiana, hoy hatrany izy L. Ny enina tamin’ireo indray no nahazo fampiantsoana tany amin’ny tribonaly. Ny efatra tamin’ireo nantsoina ihany anefa no nohenoin’ny fitsarana. “Efa tsy nazava taminay efa hatramin’ny voalohany izay trangan-javatra izay. Nisy ny famosaviana ary izy ihany no nilaza fa hitsabo azy avy eo. Lasa fitadiavam-bola ny ain’ny zanakay satria dia iray hetsy ariary ny vola kely indrindra takiany amin’ny fitsaboana”, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza ireto farany fa hampiakatra ny raharaha fa tsy hijanona fotsiny amin’ny fanafahana ny amin’ny fanenjehana io mpitondra fivavahana Hebrio io.
Laurena Nany