Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Takon’ny fety ny savorovoro

Efa tena tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny fetim-pirenena tanteraka i Madagasikara manontolo amin’izao fotoana izao. Mifantoka tanteraka any ny fisainan’ny rehetra ary zary lasa hadinodino avokoa izay heverina ho tsy mety rehetra teto amin’ny firenena. Na ireo mpanao fitokonana lavareny tetsy sy teroa aza toa nangingina sy nipirimpirina any amin’ny misy azy any. Tsy mahagaga izany satria fantatr’ireo mpitarika fitokonana fa tsy hahasarika na iza na iza izy ireo amin’izao vanim-potoanan’ny fety izao. Tsy azo rebirebena amin’ny resaka politika mihitsy ny vahoaka sy ny mpiasa fa efa mivonona amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena amin’ny fomba manetriketrika. Koa raha tsy adala ny olona ka hanaiky ho rebirebena amin’ny fitakiana tsy hahazoan’ny maro an’isa tombontsoa akory.

Hitan’ny mpitondra Fanjakana io zava-misy io ka nohararaotin-dry zareo nikarakarana fety makotrokotroka manerana ny faritra 22. Iaraha-mahita ihany koa fa tsy ampy fialam-boly sy efa malemin’ny fahantrana ny vahoaka malagasy ka mihazakazaka mamonjy izay toerana misy lanonana sy fampisehoana maimaimpoana. Ny vahoaka madinika sy mafiady izay tena maro an’isa no tena voajono amin’ireo hetsika maro samihafa manerana ny Nosy. Eto an-drenivohitra izao dia hadino tampoka teo ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny ady mampifanolana ny kaominina amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany fa lasa mitodika any amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny fety be eny Analakely, ary ny Podium eny Antsonjombe ny sain’ny maro an’isa.

Diso paika ireo izay nihevitra ny hanararaotra ny fetin’ny 26 jona entina hanetsehana ny vahoaka tsy hanaiky intsony ny hijoroan’izao fitondrana izao. Nandamoka ny tetika satria ny vahoaka dia tsy marisika firy amin’izany korontana sy fidirana amin’ny krizy politika vaovao izany indray. Marobe ireo mimenomenona sy milaza fa tena tofoka tanteraka amin’ny mpitondra Fanjakana ankehitriny saingy azo isaina amin’ny rantsan-tanana kosa ireo tena sahy haneho ny heviny eny an-dalam-be. Midika io fa tsy matoky ireo mpanohitra sy mpitarika sendikaly mihitsy ny vahoaka. Misy rariny ihany izany satria iaraha-mahalala fa mpikarama an’ady misoloky vola any ambadimbadika any fotsiny ny ankamaroan’ireo milaza ho mpiaro ny vahoaka ary tsy hanaiky intsony ny zava-misy amin’izao fotoana izao.

Ireo antoko politika matanjaka sy matotra toy ny Mapar sy ny Tim, ohatra, tsy mba mety mijabaka amin’ny fikasana hanozongozona ny fitondrana izany ary efa samy nilaza ny hiandry ny fifidianana filoham-pirenena vao hampiseho ny heriny. Efa manana ny traikefany sy mahafehy tsara ny kilalao politika ireo antoko ireo ka tsy mety hijabaka amin’ny fikasana hidina an-dalam-be izay kasain’ny vondrona sy fikambanana samihafa amin’izao fotoana izao. Tsy hisy hetsi-bahoaka ho vanona izany anefa eto raha tsy ny antoko matanjaka no mitarika azy.

Na eo aza ireo rehetra ireo dia mila mandini-tena ihany ny mpitondra fa matoa mitombo isan’andro ny hetsika fanoherana dia misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny ny fitantanana ny firenena. Ny fankatoavana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena akory tsy midika fa sambatra ny vahoaka malagasy. Ny tsy fahasahian’ny vahoaka hidina an-dalam-be ihany kao dia tsy milaza velively fa mamim-bahoaka ny mpitondra. Matoa ny malagasy tsy marisika hanao hetsika goavana dia karazan’ny efa very fanantenana ihany ka tsy te hanaonao foana handrodana ny efa mijoro ka hampiakatra olon-tsy fantatra eo amin’ny fitondrana. Aleon’ny olona aloha mionona sy mihafy amin’ny mpitondra tsy mahafa-po na dia efa tena latsaka an-kady tanteraka aza ny firenena. Efa tombony be ho an’ny mpitondra ny fahalemen’ny vahoaka tsy sahy manao fitakiana ka anjaran’izy ireo ny mieritreritra na hiasa hitondra fampandrosoana na hanararaotra ny fahatsoram-pon’ny vahoaka.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre