Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Gaboraraka ny sisintanin’i Madagasikara – Tanzanianina roa niditra an-tsokosoko

Tovolahy roa mpiraitampo no tratran’ny polisy misahana ny sisintany tany amin’ny seranam-tsambon’i Taolagnaro, ny alarobia lasa teo. Vao 20 taona ny zokiny ary 14 taona kosa ny zandriny, teratany Tanzanianina izy ireo. Araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana, mpitsoa-ponenana an-tsokosoko izy ireo satria tsy nahitana taratasy mazava sy fahazoan-dalana miditra eto Madagasikara. Rehefa nanaovana fanadihadiana anefa dia tsy mety milaza ny antony nitsoahan’izy ireo ny firenena Tanzania sy ny fomba nahatongavan’izy ireo teto an-toerana. Notazomina ao amin’ny biraon’ny polisy Taolagnaro izy roalahy ireo ary ny fidirana tsy ara-dalana eto Madagasikara no hanamelohana azy ireo. Mitohy ny fanadihadiana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre