Famotsiana omby halatra – Rava ny tambazotran’ireo mpanao pasipaoro sandoka
Andian’olona mpanao taratasin’omby sandoka 12 isa no voasambotry ny borigady Anjozorobe, ny fiandohan’ity volana jona ity, taorian’ny fanafihana nitranga tany amin’ny distrikan’Ankazobe. Tanàna kely iray atao hoe Ambolotarakely no notafihan’ny dahalo mitam-basy ny faran’ny volana mey lasa teo. Omby manodidina ny 70 isa no lasibatra tamin’izany. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana, ka omby miisa 14 tamin’ireo 70 ihany no tratra tany Anjozorobe. Tsy nijanona teo fa nitohy ny fikarohana izay nahasamborana ireo olona 12 ireo. Ireto farany izay voalaza fa tambozatra mihitsy, ao ny mpangalatra, mpandray sy mpanafina ny omby ary mikarakaraka ny taratasy sandoka. Tamin’ny fisavana natao ireo taratasin’omby no nahalalana fa hosoka izany satria sonian’olon-kafa fa tsy ilay tompon’omby no hita teo amin’ilay pasipaoro. Araka ny fanazavan’ny Komanda Rakotondravony Zavamanantsoa, eo anivon’ny Kaomandin’ny vondrom-paritra Imerina Central, nisy tamin’ireo omby halatra no efa lafo tamin’ny alalan’ny fampiasana taratasy hosoka. Nahodin’ireo mpangalatra avy hatrany mantsy ireo omby ary nitadiavana mpividy ka nolazaina fa avy any Tsaratanàna. Vita avokoa ny taratasin’ny omby, niampy pasipaoro. Natolotra ny Fitsarana omaly izy 12 ary naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fihainoan’ny mpitsara azy ireo.
L.N