Fongory ny dahalo !
Tsy hitan’ny fitondram-panjakana intsony ny vahaolana hiadiana amin’ny asan-dahalo ka dia nananganana vondron-kery manokana mihitsy. Tsy misy maharatsy izany aloha satria izay no tadiavin’ny vahoaka. Mpitandro filaminana miasa sy miady ho fiarovana ny malagasy mamanoloana ny olon-dratsy sy jiolahy amin’ny endriny rehetra. Misy ihany ireo be resaka milaza fa tsy ny fampiasan-kery no vahaolana hanafoanana ny asan-dahalo nefa tena tsy mitombina izany. Karazan’ny manatsatso ny mpitandro filaminana tsy hahavita ny asany fotsiny ireny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona ireny rehefa manankihana fa tsy tokony ho tifirina sy vonoina ny dahalo. Ny tena zava-misy marina mantsy dia efa tsy laitran’ny balan’ny fananarana intsony ireo mpangalatr’omby ka aleo ny balan’ny basy no hananatra azy ireny sy ny forongony.
Porofon’izany dia milamindamina ny any atsimon’ny Nosy rehefa misy ny hetsika manokana ataon’ny mpitandro filaminana. Nifitsaka sy tsy fantatra intsony, ohatra, izay niafaran’i remenabila izay nalaza ho anisan’ny dahalo tena nanjakazaka. Ny fidinan’ny miaramila sy polisy ary zandary tany atsimon’ny faritra Atsimo no nampanjavona an-dRemenabila fa tsy ny dina be sy ny kalaony ary ny fifampiresahana izany. Efa napetraka teto ihany koa ny tetikasa dahalo niova fo izay nandanian’ny fitondram-panjakana volabe amina miliara saingy tsy hita izay vokany teo. Ny kitapom-bolam-panjakana fotsiny no gorobaka fa ny asan-dahalo vao maika nirongatra. Volam-bahoaka tokony ho nampiasaina tamin’ny ady amin’ny kere, nanjary nolaniana nanambatambazana ireo tsivalahara izay tsy niova fo akory.
Na dia tsy tomombana araka ny tokony ho izy aza ny asan’ny mpitandro filaminana dia efa ankasitrahan’ny vahoaka sy olon-tsotra tsy miditra amin’ny resaka politika ny fandraisana andraikitra hanangana vondron-kery manokana hiady amin’ny dahalo fotsiny. Tsy misomonga sy tsy azo ifampiresahana ny mpangalatr’omby koa aleo ny basin’ny miaramila no hifamaly aminy. Miatrika sakana maro ihany anefa ny mpitandro filaminana eo ampanatanterahana ny asany ka anisan’ny goavana amin’izany ny fitsabahan’ireo manam-pahefana sy tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny amin’ny fanakanana ny miaramila sy zandary tsy hitifitra sy hisambotra ireo dahalo. Voalohany amin’ireny ny sasany amin’ireo raiamandreny eny ifotony izay miaro ireo dahalo ao izay fihaviana amin’izy ireo na dia efa hita porofo izao aza fa olon-dratsy. Lazaina fa tsy asan-jiolahy mantsy ny halatr’omby fa fombandrazna nefa na izany aza tsy azo hadino fa mandripaka olona sy mandrava tanàna ary manao habibiana tsy roa aman-tany ireo dahalo. Raha tena to-teny ireo raiamandreny ara-pomban-drazana dia tsy nirongatra be toy izao ny asan-dahalo eto Madagasikara. Rehefa tsy mahafehy ny tanora sy vatan-dehilahy ao aminy ireo raiamandreny dia aleo ny mpitandro filaminana hanao ny asany.
Mbola sakana goavana ihany koa ny fisian’ireo manam-pahefana iray fihaviana amin’ny dahalo ka manao izay hiarovana azy ireny. Efa matetika ny mpitandro filaminana no misedra olana noho ny fanaparam-pahefana sy fitsabahan’ny depote na minisitra amin’ny fiarovana dahalo izay voaporofo mihitsy fa nanao ratsy. Farany dia maro ireo fikambanana miseho ho mpiaro ny zon’olombelona no manao izay fomba rehetra hanaratsiana sy hanenjehana ny mpitandro filaminana mitifitra sy mamono mahafaty ny dahalo ary mandoro ny tanànan’ireo mpiray tsikombakomba. Raha toy izany foana ny fomba fisainana eto Madagsikara dia mbola ho ela vao hisy vokany ny ezaka entina hametrahana ny fandriam-pahalemana. Amporisihina handray andraikitra ny mpitandro filaminana nefa rehefa tena manao ny asany tokoa hataony dia henjehina sy kianina indray ary lazaina fa mpamono olona. Mahagaga anefa ireo rehetra mpiaro ireny jiolahy matin’ny polisy sy zandary ary mpitandro filaminana ireny dia tsy misy sahy mijoro mihitsy mba hanameloka ireo olon-dratsy mpangalatra sy mpamono olona ary mpanao fakàna ankeriny sy mpampihorohoro ny vahoaka.
Ravalo tsy Manana