Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ankazobe – Mangataka mba hametrahana Das ny mponina

Tsy milamina ny distrikan’Ankazobe manoloana ireo asan-dahalo mifanesy any an-toerana. Saika ho isan’andro dia isehoana fanafihan-dahalo foana na miezaka mampandry fahalemana aza ireo mpitandro filaminana, araka ny fitarainan’ny mponina avy any an-toerana. Any amin’ny ilany Atsinanana avaratra, izay ahitana ny kaominina Antakafana sy Ambolotarakely no voalaza fa tena anjakan’ny asan-dahalo. Tao anatin’ny 3 herinandro izay dia tanàna maromaro ao anatin’ireo kaominina ireo no lasibatr’ireo olon-dratsy mirongo basy ireo. Omby 94 isa no nanjavona nandritra izany ary ny 74 isa tany Marodaza Atsinanana raha toa ka 20 ny tany Ambohimanjaka. Olona iray kosa no namoy ny ainy tamin’ny fanafihana nitranga tany Ambohimiakatra ary omby tsy voafaritra isa no lasibatra. Manoloana izany rehetra izany dia mandry tsy lavo loha ny mponina ary mangataka ny fametrahana « Détachement autonome de sécurité » na Das eny anivon’ny distrikan’Ankazobe ny mponina.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre