Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Miandrivazo – Nifampitana ny zandary sy ny dahalo

Voasoroka ara-potoana ny fanafihan-dahalo tany amin’ny distrikan’i Miandrivazo. Sendra ny patsa iray tsy omby vava ireo mpangalatra, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Dahalo miisa 15 no nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana manao fisafoana, tany ampitan’ny rano Mahajilo ny alin’io. Ahiana ho dahalo saika handeha hanao fanafihana izy ireto. Nanapoaka basy avy hatrany ireo olon-dratsy vantany vao nahatazana ireo zandary saingy tsy nihemotra mihitsy ireto farany. Raikitra noho izany ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta, izay naharitra adim-pamataran’ora maromaro. Voan’ny balan’ny mpitandro filaminana nandritra izany ny iray tamin’ireo mpangalatra ka nilavo lefona nanoloana ny mpifanandrina taminy. Vaky nandositra nitondra ny namany naratra ireo dahalo ka tavela teo ny sakaosy iray. Rehefa nosavana izany, moara be dia be entin’izy ireo manatanteraka ny fanafihana mitam-piadiana no tao anatin’izany. Mitohy ny fanadihadiana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre