Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ady amin’ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny zaza – Nomena fiofanana ireo mpitandro filaminana

Tapitra ny zoma 17 jona lasa teo, teny amin’ny foibe fiofanan’ny polisim-pirenena Antanimora ny fiofanana momba ny ady amin’ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny zaza tsy ampy taona na ny « lutte contre l’éxploitation sexuelles des mineurs ». Naharitra dimy andro ny fiofanana ary 20 mianadahy ireo mpiofana. Misy ny avy amin’ny polisim-pirenena, avy amin’ny zandarimariam-pirenena ary ny avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena. Ny tanjona dia ny hahafehezan’ireo mpitandro filaminana ny momba ny fizahantany mamoafady eto Madagasikara ary indrindra indrindra ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ireo mpanao fanadihadiana. Ny Ong Ecpat France no tompon’antoka tamin’ny fanatanterahana ny fiofanana fa ny avy amin’ny ivotoeram-pitantanan’ny polisim-pitsarana na ny « direction central de la police judiciaire » avy any Parisy kosa no nitarika izany, ka anisan’izany Lydie Dague. Namarana izany tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo  ny talen’ny fiofanana sy ny fikarohana eo anivon’ny ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny commissaire principal de police Randriambelo Mandimbin’ny Aina sy ny Komanda Jean-Yves Le Clech izay mpanolotsaina teknika ao amin’ny ivotoeram-pitantanan’ny polisim-pitsarana eny anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre