Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Andavamamba – Mpanendaka iray naboridan’ny fokonolona

Sendra ny nahay azy ny mpanendaka iray tratran’ny fokonolona, teny Andavamamba, ny andron’ny sabotsy teo. Tsy namelan’ny olona mihitsy raha tsy nahazo ny sahaza azy. Tra-tehaka nangalatra finday ka raha vao nitabataba niantso vonjeo ny lasibatra dia tonga avokoa ny fokonolona. Nirifitra nandositra ilay olon-dratsy saingy tsy lasa lavitra dia tratra. Nifandritahan’ny fokonolona amin’izay izy ka samy namely avokoa izay nandalo. Tao ireo nidaroka sy nandaka ary namely totohondry ka nalemy hatramin’ny lohalik’ilay jiolahy. Vokany, tsy afaka namindra intsony izy. Tsy nionina tamin’izay ihany anefa ireo vahoaka efa leo ny tsy maty manotan’ireto mpanendaka ireto fa naboridan’izy ireo koa ity farany ka takon-kenatra sisa. Vao nesorina anefa ny akanjony dia niparitaka teo amin’ny tany avokoa ireo finday rehetra nangalariny. Rehefa afa-po namono azy ny fokonolona dia notaritina nihazo ny biraon’ny polisy ilay jiolahy. Efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre