Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Tsy nahazaka fiangonana !

Ratsy fifandraisana amin’ny fiangonana sy ny mpitondra fivavahana ny fitondrana mijoro amin’izao fotoana izao. Ny katolika amin’ny alalan’ny fiombonamben’ny eveka dia tsy mitsahatra ny manao teny tsy misorona  milaza ny tsy mety eto amin’ny firenena sy ny tsy fahombiazan’ny mpitondra Fanjakana. Raha atao bango tokana aza indraindray dia toy ny hoe fanambarana politika mihitsy no ataon’ny katolika. Rehefa tena dinihina anefa dia tena ny sosialim-bahoaka sy ny fiainam-pirenena tsy misy idiran’ny politika no ambaran’izy ireo. Matetika tokoa mantsy rehefa milaza ny tsy mety dia toy ny hoe manao fanambarana politika no andraisan’ny mpitondra azy.

Miady amin’ny fanjakana ihany koa ny fiangonana Fjkm amin’ny alalan’ny birao foibe. Efa nazava ny hevitr’ireo mpitantana fa ny fiadidiana ny Repoblika mihitsy no nanao izay fomba rehetra hanalam-baraka ny mpitandrina Lala Rasendrahasina tamin’ilay resaka fidirana trano fanorana. Misy resaka politika be ity raharaha ity ary misaringotra amin’ny fiainam-piangonana. Voalaza mantsy fa misy amin’ireo mpitandrina no manana fifandraisana akaiky amin’ny fitondram-panjakana ka mikasa haka ny toeran’ny filohan’ny fiangonana. Izay antony izay no nahavoasaringotra ny fanjakana tamin’ilay resaka fanalam-baraka an-dRasendrahasina.

Ny Ffkm ihany koa dia vao tsy ela izay no nanao fanambarana manakiana mafy ny fitondram-panjakana. Voalaza tamin’izany ny tsy mety rehetra eto amin’ny firenena. Hita fa tsy mirona amin’ny fanohanana ny mpitondra izy ireo ary misy tsy mahafaly azy ao. Hatreto aloha na inona na inona filaza dia ny Ffkm ihany no mbola afaka misolotena ny fivavahana kristianina eto Madagasikara. Ireo sekta marobe izay misora-tena ho fiangonana zandriny dia sady tsy mahay miray hina no vao mainka mifanenjika an-toerana izy samy izy.

Santionany ireo fa rehefa tena dinihina dia voalohany tamin’ny fitondrana nifandimby tsy nahazo ny fanohanan’ny fiangonana ity fitondram-panjakana mijoro ity. Niaraha-nahita mantsy fa ry Zafy sy Ratsiraka ary Rajoelina dia tena nanana ny fanohanan’ny katolika tamin’ny fotoana nitantanany ny firenena. Ravalomanana kosa dia efa fantatra fa filoha lefitry ny Fjkm mihitsy ary notohanan’ny fiangonana misy azy. Rajaonarimampianina kosa indray na dia mba miezaka ny hanakaiky ny fon’ny Fjkm aza dia vao mainka toa nitondra fisaraham-bazana teo anivon’io fiangonana io.

Raha ny tokony ho izy, amin’ny firenena demokratika sy laika dia tsy mila izany fanohanan’ny fiangonana izany ny mpitondra Fanjakana. Tsy izay anefa no zava-misy eto Madagasikara satria kristianina ny maro an’isa amin’ny vahoaka malagasy ary manana ny anjara toerana lehibe ny fanohanan’izy ireo rehefa vanim-potoanan’ny fifidianana. Ny Lalampanorenana no mamaritra ny fanjakana laika saingy ny vahoaka sy ny mpivavaka kosa tsy te hahalala izany fa mametraka ho zava-dehibe ny fahazoan’ny mpitondra tso-drano avy amin’ny fiangonana. Rehefa ito farany no tsy mankasitra ny mpitondra dia very ho azy ny fanohanan’ny vahoaka.

Lesoka iray tena faran’izay goavana io tsy fananan’ny fitondrana Hvm ny fanohanan’ny fiangonana io ary ahiana hisy fiantraikany any amin’ny asa fampandrosoana mihitsy. Ny adventista izao no akaikikaiky ny fitondrana amin’ny alalan’ny praiminisitra sy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka saingy tsy dia matanjaka firy eto amintsika io fiangonana mitandrina ny andro fahafito naorian’I Ellen white io.

Mila manao ezaka, noho izany ny mpitondra, amin’ny alalan’ny fametrahana ny fahamarinana sy ny fahitsiana mba hahazo indray ny fahatokisan’ny vahoakan’Andriamanitra. Ny fanaovana kolikoly, ny fangalarana ny harem-pirenena, ny hafetsifetsena sy toetra tsy mendrika samihafa mantsy no tsy ankasitrahan’ny mpivavaka amin’ny mpitondra. Ny dahalo aza vitan’ny Fanjakana ny nanova azy koa maninona moa raha ny mpitondra mihitsy no miova fo mba ho fankan-tahaka ho an’ny vahoaka?

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre