Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Fanafihan-dahalo – Vehivavy bevohoka nalain’ny olon-dratsy ankeriny

Nipoapoaka ny basy tany amin’ny faritry Melaky, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Dahalo maromaro nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika ny kaominina Sahoany, tokony ho tamin’ny 11ora alina tany ho any. Ankoatra ireo omby aman-jatony lasan’ireo dahalo dia mbola nalaina ankeriny ihany koa ny vehivavy bevohoka iray, isan’ireo tompon’ny omby lasa. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo fokonolona rehefa nivoaka ny tanàna ireo olon-dratsy. Nidina teny an-toerana ny zandary nanao ny fizahana ary nanatanteraka ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona avy eo. Fotoana vitsy taty aoriana nandaozan’ireo mpangalatra ny kaominina Sahoany dia nifanehitra ny roa tonta. Raikitra ny fifampitifirina teo amin’ny mpanara-dia sy ireo dahalo izay naharitra ora maromaro. Vokany, lavon’ny balan’ireo dahalo ny iray tamin’ireo fokonolona ary iray hafa kosa naratra mafy. Ity farany izay efa manaraka fitsaboana any amin’ny tobim-pahasalamana any an-toerana. Mbola tsy tafaverina kosa ilay vehivavy bevohoka sy ireo omby voaroba. Mitohy ny fanarahan-dia.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre