Toamasina – Miverina indray ny delestazy
Miverina indray ny delestazy any Toamasina, raha somary mba efa nahitana fihenana tao anatin’ny volana maromaro. Ny maraina sy hariva no tena matetika itrangan’izany, araka ny angom-baovao voaray. Miteraka fimenomenonana hoan’ireo mponina, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao izany. Faritra maro any Toamasina no ahitana ny fahatapahan’ny jiro, isan’izany ny ao Tanambao V, Ambolomadinika sy ny maro hafa. Rehefa nanontaniana mahakasika ny fahatapahana ny tompon’andraikitra dia nilaza fa olana ara-teknika no mahatonga izany.
« Ny olana ara-tekinika no mahatonga ny fiverenan’ny delestazy. Noho ny fahasimbana tampoka amin’ireo milina mamokatra ny herinaratra eo anivon’ny toby famokarana Enelec sy Toamasina 4 no mahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra ». Miankina betsaka amin’ny fahavitan’ny milina ny mety hiverenan’ny famatsiana ny herinaratra indray. Fa ankoatra ny fikorontanan’ny famatsiana ny herinaratra dia ahiana hisy fiantraikany amin’ny famatsiana ny rano ihany koa izao fahavoazana ara-pitaovana izao. Hiaina ao anatin’ny delestazy izany ny mponina any Toamasina amin’izao fanamarihana ny fitsingerenan’ny fahaleovantena izao.
L.N