Toliara I – Raikitra ny fandravana trano
Tsy ny eto an-drenivohitra, Toamasina, Mahajanga dia raikitra ihany koa ny fandravana trano any amin’ny kaominina Toliara I. Ireo tsena miorina tsy ara-dalàna eny amoron-dalana ireto narodana ireto. Nojerena ireo trano tafiditra amin’ny arabe satria misy fepetra arahina tsy maintsy arahina amin’izany ka izay miorina ambanin’ny roa na telo metatra dia narodana avokoa. Manomboka avy any amin’ny fokontany Sanfily hatrany Mahavatsy ary mbola ho betsaka ihany koa ireo horavana. Hitohy any amin’ny lalana Amorombika sy Andaboly any amin’ny lalana Rn1 ny fandravana trano. Fanitaran-dalana no fantatra fa anton’ny fandravana ireo trano miorina tsy ara-dalàna ireo. Hain’ny rehetra amin’ izao fa miroso amin’ny fandrosoana i Toliara ho fanatsarana ny tanàna. Araka ny loharanom-baovao an-telefaonina avy any an-toerana, tsy narodana fotsiny amin’izao ireo trano ireo fa efa nisy ny fifampiresahana mialoha tamin’ireo iharan’ny fandravana. Efa nanomboka ny volana jolay 2015 no voalaza fa nisy ny fanisana ireo mpivarotra amoron-dalana mba hanonerana ireo laniny tamin’ny fanamboarana ny tsena.
Laurena Nany