Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Kaominina mpanambany ny madinika

Mbola mitana ny sain’ny maro ny resaka fanotorana tany eny Masay. Nampihenjan-droa ny tady eo amin’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra sy  ny minisiteram-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sady miandraikitra ny Fanajariana ny tany mantsy io raharaha io. Andaniny, ny minisitra dia nidina ifotony mihitsy ary nilaza fa tsy ara-dalàna sy tsy azo ekena ny fanotofana tany. Ahiana hitarika tondra-drano mantsy izany satria ny lemaka manodidina an’i Masay no fivarinan’ny rano rehefa avy ny orana. Tsy mankasitraka io fanotofana io ihany koa ny mponina manodidina noho ny antony samihafa. Ankilany kosa ny ben’ny tanàna anefa manizingizina fa ara-dalàna io fanotofana tany io ary manana ny fahazoan-dalana rehetra hanao izany ilay orinasa manototra. Lasa mpisolo vava ilay mpandraharaha vahiny mihitsy ny ben’ny tanàna ary miaro amin’ny heriny sy ny fahefany rehetra mba hototofana ilay tany.

Ny tena mahagaga amin’ity raharaha ity dia tsy andrenesam-peo ilay tena tompon’ny tany hototofana nefa ny ao amin’ny kaominina indray no sempotra sy mampiaka-peo miaro azy. Tsiahivina anefa fa efa nilaza ny teo anivon’ny kaominina tamin’ny vao nandray fahefana fa ajanona aloha ny fanotofana tany eto an-drenivohitra. Voakasik’izany ny teny Andohatapenaka sy ny manodidina. Ny fitondram-panjakana ihany koa dia efa ela no namoaka didy ny amin’ny fampitsaharana ny fanotofana ny tany rehetra na nahazo fahazoan-dalana na tsia. Ankehitriny dia io fa nomen’ny ben’ny tanàna fahefana hanototra tany ny mpandraharaha vahiny.

Tena nandiso fanantenana ny vahoaka mpifidy ny fihetsiky ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra izay nantenaina hiaro ny vahoaka madinika manoloana ny tsy rariny sy ny fanjakazakan’ny vahiny sy ny mpanambola nefa toa vao maika aza ny mifanohitra amin’izany no misy. Tsy mba mijery ny vahoaka sy mihaino ny fitarainan’ny mponin’Antananarivo renivohitra mihitsy mantsy ity ben’ny tanàna ity sy ny ekipany fa vao maika aza manao ny fomba rehetra hampijaliana ny vahoaka. Ohatra, voalohany amin’izany ny resaka mpivarotra amoron-dalana sy anaty tsena. Roahina amin’ny toerany izy ireo dia asaina mameno antontan-taratasy fanisana mba hakan’ny kaominina vola any ambadimbadika any hoy ny fikambanan’ny mpivarotra. Betsaka ireo nanohana ny ben’ny tanàna tamin’ireny fifidianana ireny nefa dia fandroahana sy fanenjehana ary ny fandraofana ny entan’izy ireo no valim-pitia rehefa lany sy nahazo toerana ny Tim. Nahagaga ihany koa ny fahamaizan’ny tsenan’Isotry izay tsy avelan’ny kaominina harenina hatramin’izao. Nahery fiteny sy tsy nitsitsy fanambaniana ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny kaominina raha nisokajy ireo mpivarotra nanamboatra ho « mafy loha », « tsy mahay mijery lavitra ». Kely sisa no tsy nilazany fa dondrona sy vendrana ary tsy misy saina ireo mpivarotra. Raha tsiahivina mantsy dia efa nilaza i Marc Ravalomanana fa misy resaka politika io nahamay ny tsena io ary tsy tokony handray fanomezana sy fanampiana amin’olon-kafa ireo mpivarotra may fananana.

Ravalomanana sy ny kaominina anefa tsy hanome fa be famaritra fotsiny. Tsy afaka ny hiandry izay fanarenana manara-penitra hatao amin’ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny tsy miankina ireo mpivarotra satria tsy maintsy mitady ny harapaka isan’andro. Iaraha-mahita rahateo fa omen’ny kaominina ambongadiny ny mpanambola ny toerana tsaratsara eto an-drenivohitra. Porofon’izany ny resaka fiantsonan’ny fiarakodia izay lasan’ny orinasa Easy park avokoa ny toerana tsaratsara rehetra. Amin’izao fotoana izao dia efa misy tetikady maloto miainga any ho any hakana ireo fiantsonan’ny fiarakodia eny anivon’ny fokontany. Hadinon’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany fa ny mponina eto an-drenivohitra no nifidy azy sy ananany adidy fa tsy ny mpandalo na ny sehatra tsy miankina. Izany hoe raha ny tokony ho izy dia rariny sy hitsiny raha ny fokontany no homena andraikitra malalaka hitantana ny tsena sy ny fiantsonan’ny fiara ary ny fandaminana ifotony rehetra. Sady hampidi-bola ho an’ny fokontany izany no hanatsara ihany koa ny fandraisanan’andraikitry ny vahoaka eny ifotony amin’ny asa fampandrosoana. Tsy te hahalala izany anefa ny ben’ny tanàna sy ny ekipany fa ny fantany dia ny hiaro ny mpandraharaha tsy miankina izay lazaina fa mpiara-miombona antoka aminy ihany. Tsy hita anefa izay asa fampandrosoana naterak’izany hatreto.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre