Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Fanamarihana ny faha-56 taonan’ny fahaleovantena – Nanatanteraka « carnaval » ireo mpianatra eto an-drenivohitra

Ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-56 taona nahazoana ny fahaleovantena dia nanao hetsika ny ministera ny fanambeazam-pirenena, niarahana tamin’ny Dren Analamanga mba hampifalifaliana ny mpianatra rehetra eto an-drenivohitra sy ny manodidina ka voakasika anatin’izany ny faritra avaradrano sy atsimondrano. Nisy noho izany ny « carnaval » notanterahina, izay niainga teo amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ary tsy nifarana raha tsy tao amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, izay nandraisan’ny mpianatra miisa 7 000 eo ho eo anjara avy ao amin’ny kolejy sy lisea na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Raha oharina tamin’ny taona lasa dia nahitana fihenana ireo ankizy nandray anjara satria nahatratra 13 000 izy ireo. Hetsika izay fampahafantarana ireo mpianatra ny hasina sy ny kolontsaina izay tokony hanajana ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Nisy ny fifaninanana tononkalo, kabary, hirahira ary vakodrazana, nanamarihana ny hetsika izay nahazoana loka maro be avy tamin’ny ministera. Marihina anefa fa tsy ny eto an-drenivohitra ihany no nanatanteraka ny fanamarihana izao fa eran’ny Dren sy ny Cisco manerana ny Nosy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre