Lakolosim-piangonana – Mahatratra roanjato tapitrisa ariary ny iray
Miova tanteraka ny toe-tsain’ny malagasy sasany amin’ izao fotoana. Tsy vonona ny hiafy sy hiaritra ary tsy manana faharetana amin’ny asa fihariana tsara sy mazava fa ny fahamaizana hanam-bola betsaka no mibaiko. Eo anatrehan’izany, ny asa maizina sy ratsy no maharoboka satria ireny no ahazoana vola maro sady haingana. Toy ny halatra lakolosy izay tena mbola mitohy hatrany ary mitety faritra mihitsy ireo mpangalatra mandripaka ity fananam-piangonana ity. Rehefa avy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy sy teto an-drenivohitra ireo mpangalatra dia tonga any amin’ny faritra Atsinanana any indray ry zalahy amin’izao fotoana izao. Fiangonana katolika miisa 4 tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana no voalaza fa lasibatra vao tsy ela akory izay. Isan’izany ny fiangonana tany Vohipeno, Ambodimanga II, Analamena Antsiatsiaka ary Antanetivala Vohitsoa Vohilengo. Tena tambazotra goavana mihitsy ireto mandripaka ny fananan’ny fiangonana ireto. Tsy izay lakolosy rehetra anefa io misy mangalatra io fa ireny varahina sy misy soratra RF na République Française ireny no tena lasibatra. Ny fanadihadiana natao no nahalalana fa mamono tambazotra finday ireny lakolosy misy marika RF ary ry zareo Alemana no mividy azy. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa maherin’ny roanjato tapitrisa ariary ny vidin’ny lakolosy iray misy an’io marika io.
Laurena Nany