Fampandrosoana ambony taratasy !
Vao nanomboka ny herinandro dia nanomboka koa ny fanaovana tomban’ezaka ny asan’ny fitondram-panjakana. Ny alatsinainy lasa teo no nanao tatitra ny asa hahitam-bokatra haingana ny Governemanta. Efa tamin’ny tapa-bolana izy io no saika natao saingy nofoanana tamin’ny fotoana farany ka izao nahemotra ny alatsinainy teo izao. Amin’ny ankapobeny dia mazava ny hevitry ny mpitondra Fanjakana fa nahafa-po na dia tsy zato isan-jato aza ny vokatra azo. Manaporofo izany fa mbola vonona ny hanohy ny asany ny fahefana mpanatanteraka ary nofy izay fametraham-pialana angatahan’ny mpanohitra sasantsasany izany.
Io alatsinainy io ihany koa dia nanao tomban’ezaka mikasika ny politika fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny eoropeanina. Ankoatra ny fijerena ny zava-bita dia nandroso soson-kevitra maro hoentina hanatsarana ny fomba fiasa izy ireo. Raha fehezina amin’ny ankapobeny dia hita ho afa-po amin’ny fiaraha-miasa ny vondrona eoropeanina.
Raha jerena izany dia toa nahafa-po ihany ny ezaka vitan’ny fitondram-panjakana tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ity taona ity na dia betsaka aza ny fanakianana sy ny fitarainana avy amin’ny vahoaka. Nahafa-po ny mpandray tatitra satria natevina dia natevina ireo atontan-taratasy nentin’ireo minisitra nanaporofoana fa nahavita ezaka lehibe izy ireo. Nahay rahateo izay nandrafitra ny antontan-kevitra satria nahafeno ny raikipohy tadiavina ka tsy misy iadian-kevitra ny fahombiazana.
Toa an-taratasy ihany anefa izany fampandrosoana rehetra izany raha oharina amin’ny zava-misy marina satria tsy mitsaha-mitombo ny fahasahiranana eto Madagasikara. Vao tamin’ity herinandro ity izao no nahatsikaritra ny mpanjifan’ny JIRAMA fa nisondrotra be ny vidin-jiro. Tsy mba nisy fampandrenesana mialoha izany ary tsy nisy fampahafantarana mazava ny antony fa dia ny fakitiora efa nidangana be no nanaitra ny maro. Tsy fampandrosoana ny toy izany, ho an’ny vahoaka fa fihemorana. Lasa hanombinana hanampiana ny vidin-jiro sy ny rano indray mantsy ny vola efa natokana ho amin’ny zavatra hafa. Tamin’iny herinandro iny ihany koa dia nisondrotra be tsy nisy toy izany ny vidin-tsolika. Tampoka ihany koa io fampakaram-bidy io ary tsy mba misy filazana ny antony sy fampandrenesana mialoha izany. Ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena anefa tsy nisy fiovana firy. Fidinana aza no tsikaritra tato aho ato izay. Efa nisy sahady ny mpitatitra no nanondrotra ny saran-dalana ary maro ireo efa mampitandrina fa hanondrotra ny azy ihany koa. Miteraka fisondrotan’ny vidim-piainana io fiakaran’ny vidin-tsolika io ary mitarika ny vahoaka any amin’ny fahoriana sy ny fahantrana lalina.
Ny fiakaran’ny vidim-piainana dia mifanohitra tanteraka amin’ny asa fampandrosoana. Izany hoe na hamoaka antontan-kevitra iray trano maneho fa nahavita asa aza ny mpitondra dia tsy misy dikany ireny amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka raha mbola hita soritra ny fahantrana. Lasa mianona sy afa-po fotsiny amin’ny tatitra sy ny kajy baoritra ambony latabatra sisa ny mpitondra rehefa hamaritra ny asa vitany fa tsy mijery mihitsy ny fiantraikan’izany eny amin’ny fiainam-bahoaka. Ny vahiny ihany koa dia faly mandray tatitra tsara rafitra fotsiny fa tsy mahita ny tena fiainan’ny malagasy. Ireo rehetra ireo no mahatonga ny vahoaka tsy hanana fahatokisana ny mpitondra ka miteraka ny hetsika sy fimenomenomana rehetra etsy sy eroa. Toy ny mampandainga ny malagasy mantsy ireo manam-pahefana milaza fa misy asa fampandrosoana miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny isan-tokantrano eto. Latsa ho an’ny mahantra fadiranovana sy tsy mihinan-kanina ny famerimberenana lava fa efa hita soritra izao ny fampandrosoana ny firenena ary mitodika amin’ny fanatsarana ny isan-tokantrano izany.
Ravalo tsy Manana