Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Sinto-mahery – Lasan’ny mpanendaka ny finday avo lenta

Tranga hafa kely tsy dia fahita firy no nahazo ny lehilahy iray tao anaty taksibe 147 ny  alatsinainy teo, tamin’ny 7ora hariva. Lehilahy iray mipetraka eo amin’ireny antsoina hoe : “Strapotin” ireny no lasibatr’ireo mpanendaka, tamin’io fotoana io, manoloana ny fiantsonan’ny fiara, eny Ampasampito na ny météo. Araka ny loharanom-baovao, nijery ny tao anatin’ny findainy avo lenta marika Iphone ranamana no nisy nisintona avy hatrany avy any ivelany. Marihina fa mbola nisy olona roa mialohan’io lehilahy io ary nihidy ny varavaran-kely fa nosokafan’ilay jiolahy tampoka ary hainy ny nisintona ilay finday eny ampovoany be eny, izay somary lavitra ihany. Tsy nisy nanampo ny zava-nitranga ny rehetra. Na ireo olona roa nipetraka teo amin’ny sisiny na ny resevera aza dia samy tsy nisy nahetsika avokoa. Vokany, very nanjavona ilay fitaovana. Efa mpiseho ary tsy vaovao amin’ny olona eny amin’iny faritra ny fiantsonanan’ny taksibe eny amin’ny Météo iny ny resaka fanendahana sy sinto-mahery saingy ity tranga iray ity no tsy nampoizin’ny maro. Tokony ho mailo noho izany ireo eny amin’ny manodidina, indrindra ireo mandeha anaty taksibe fa tsy kely lalana ireo olon-dratsy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre