Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Festival des baleines – Voaporofo ny maha toerana fizahantany an’i Sainte Marie

Miditra amin’ny andiany faharoa ny Festival des baleines Sainte-Marie tamin’ity taona 2016 ity. Haharitra sivy andro izany, dia ny sabotsy 2 ka hatramin’ny alahady 10 jolay. Sivy andro isian’ny hetsika ara-javakanto, fanatanjahantena ary hetsika ara-kolontsaina. Toy ny diabe natao tamin’ny fanokafana izany « festival » izany dia hisy seho toy izay koa amin’ny famaranana. Diabe izay manam-porofo ny maha ivon-toeran’ny kolontsaina sy fizahantany an’i Sainte Marie. Voafintina nandritra io fotoam-panofakana ny lanonana io ireo kolontsaina mampiavaka an’i Nosy Boraha. Naseho ny momba ny tantaran’ireo piraty. Ny nanaovan’ny mpanjakavavy Betty zanaky ny mpanjaka Ratsimilaho mariazy tamin’i La Bigorne teratany frantsay ka nahatonga an’i La Frantsa sy Sainte-Marie, rano sy vary izay nahalasa Antenosy maro nizaka zom-pirenena frantsay . Ankoatra izay dia naseho ireo fomba amam-panao Antenosy toy ny fangataham-bady, ny fomba fikarakarana sakafo, ny fambolena, ny anjara toeran’ny tsolabe (baleine) eo amin’ny Antenosy. Fa ny hampiavaka ity lanonam-pamaranana ity kosa dia ny lalao izay hataon’ny ekipa nasionaly Barea Beach Soccer sy ireo avy atsy amin’ny Nosy La Réunion. Anisan’ny fifaninanana andrasan’ireo mpanatrika ihany koa ny « Miss », izay  hatao ny alin’ny zoma. Ary Julien Lepers kosa no hanentana ny fotoana mandritra ny filatroana rehetra amin’izany « Miss » izany.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre