Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Ankify – Trano hazo telo lasa lavenona

Nitrangana haintrano mahery vaika tany Ankify, amin’ny seranana mampitohy an’Ambanja sy Nosy-Be (Hell-Ville), any amin’ny distrikan’Ambanja, ny alatsinainy tamin’ny 11ora sy sasany antoandro. Tsy fantatra mazava ny antony fahavoazana fa ahiana ho afo kitay nandrahoana sakafo no nahatonga izany satria amin’ny fotoana fikarakarana mihitsy no nitranga ny loza. Ny trano rahateo vita amin’ny hazo ka vetivety dia niredareda ny afo ary niparitaka teo amin’ireo trano mifanila vodirindrina. Marihina fa tsy misy mpamonjy voina any an-toerana ka ireo mponina ihany no niezaka nifanome tanana namono ny afo. Noho ny fitsokan’ny rivotra mafy anefa dia nananosarotra ho azy ireo ny fifehezana ny fahamaizana. Naharitra ora maromaro vao voafehy tanteraka ny afo, araka ny fampitam-baovao voaray. Vokany, trano fonenana miisa 3 no kila forehitra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra fa tombanana ho an-tapitrisa ny zavatra may.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre