Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Itaosy – Ankizivavy hanala Cepe maty voahitsakin’ny kamiao

Ankizivavy iray 14 taona no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana, teny Amboatavo Itaosy, ny alatsinainy hariva lasa teo. Fahasimbana teo amin’ilay fiara kamiao no voalaza fa nahatonga ny loza. Tapaka hisatra tampoka teo am-pandehanana ilay fiara ka tsy nahatana ny familiany intsony ny mpamily ary nifatratra teny amin’ilay zazavavy mandeha manaraka ny sisin-dalana. Niezaka niala ihany ity farany araka ny loharanom-baovao saingy mbola tratra ary voaterin’ilay fiara. Mafy ny fifandonana ka potika tsy nisy noraisina intsony ny lohan’ilay zaza fa tena torotoro tanteraka. Vokany, maty tsy nialana nenina akory izy. Marihina fa tokony hiatrika ny fanadinam-panjakana Cepe omaly ity niharam-boina ity saingy indrisy. Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana dia natolotra ny fianakaviany ny ilay zaza. Ilay mpamily kosa notazomina atao famotorana sady nogiazana ilay fiarany.

Vehivavy iray maty notsenain’ny taksibe

Nisesisesy mihitsy ny faty olona nateraky ny lozam-pifamoivoizana ny harivan’ny alatsinainy teo. Vehivavy iray ihany koa no maty voahitsakin’ny taksibe teny Anosizato. Nitondra olona nitsangana ilay taksibe araka ny voalaza, kinanjo nisokatra tampoka ny varavarana ka latsaka nipitika avy eny ambony taksibe ny vehivavy iray niankina teo. Tamin’izy nipitika iny indrindra anefa no notsenain’ny taksibe iray hafa avy ao aoriana. Niezaka niala ihany ilay fiara fitateram-bahoaka fa tsy afa-nanoatra. Maty tsy tra-drano voahitsaka tao ambany tao noho izany ilay ramatoa. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre