Solondakam-bahoaka !
Niharan’ny herisetran’ny hery famoretana indray ny mpanao gazety omaly satria nisy namana voadaroka sy voadaka teny amin’ny Antenimieram-pirenena. Mazava ho azy fa matoa sahy namono be toy izany ireo miaramila dia nahazo baiko avy ao an-dapa. Nantenaina ho sehatry ny demokrasia sy ny fanehoan-kevitra ny ao Tsimbazaza kinanjo nivadika ho lapan’ny solondakam-bahoaka sy ny didy jadona ary ny fampisehoan-kery. Fahalalahana no nangatahina nefa fampiasan-kery no setriny. Tena mahamenatra ary mampisitri-belona ny fihetsik’ireo mpanapa-kevitra ao an-dapan’ny Antenimierampirenena satria hatrizay rehefa poritra dia malaky miantso mpanao gazety. Nony injay takiana hanao ny tena asany ireo mpisolo vava ny vahoaka dia manao ny fomba rehetra hanafenana ny marina mahakasika ny raharaham-pirenena.
Sivana sy finiavana hanakona ny zava-misy marina tsy ho fantatry ny vahoaka no tena fototr’izao fampiasan-kery izao. Tsy avela hitaky ny zony ary tsy avela hanatanteraka ny asany ihany koa ny mpanao gazety. Nidina ny vavahady ary nomena baiko ny mpitandro filaminana tsy hamela na iza na iza hiditra. Tahotra ny hisehoan’ny marina no mahatonga izany rehetra izany satria misy afempenina ao. Tsy tokony hadinon’ireo solombavam-bahoaka anefa fa tsy azy ireo io Lapa io fa an’ny malagasy rehetra ary manan-jo hiditra ao ny olona, indrindra ny mpanao gazety. Tsy olon-dratsy ny mpanao gazety ka atahorana hitondra korontana sy asa fampihorohoroana ao an-dapa ao.
Raha ny rariny sy ny hitsiny dia tsy ny mpanao gazety no mila amoahana lalàna managadra fa ny Solombavambahoaka mihitsy. Firifiry izay trangana kolikoly tao Tsimbazaza tao izay nefa mifampiaro izy mianakavy mba tsy hahafahan’ny Bianco manao fanadihadiana. Raha olo-marina dia manokatra ny varavarany ary manaporofo fa tsy nanao na inona na inona. Im-piry tao Tsimbazaza no nandrenesana depiote voarohirohy amin’ny resaka andramena, asan-dahalo, fanondranana rongony, sns…fa toa tsy mety ho voatohintohina mihitsy. Misy afenina ao matoa akatona ny vavahady ary tsy
avela hiditra ny mpampahalala vaovao.
Adinon’ireo depiote sy ny fitondram-panjakana anefa fa mandalo ihany izy ireo no ao amin’io lapa io fa tsy haharitra ao mandrakizay. Be izay tompon’andraikitra niseho ho zavatra izay teto Madagasikara fa niaraha-nahita avokoa ny niafarany. Rehefa voa any amin’ny politikany any ambadika any mantsy dia malaky midodododo sy manambitamby ny mpanao gazety mba hitatitra ny fanazavany amin’ny vahoaka.
Na inona na inona antony dia tsy nety iny hetraketraka tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza omaly iny. Henatra ho an’i Madagasikra iray manontolo satria nanaporofo fa tsy mitsitsy na iza na iza ny manam-pahefana ankehitriny fa rehefa ahiany hanelingelina ny tombontsoany dia darohany avokoa. Afaka natao tsara mihitsy ny nanokatra ny vavahady dia navela hiditra hanao ny fitakiany ny vondromben’ny mpanao gazety saingy nisafidy ny daka sy ny fandrangarangana basy ny tao amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena. Fanapahan-kevitra tsy voahevitra izay handrehitra afo hanaratsy endrika ny mpitondra Fanjakana indray ity zava-nitranga ity.
Raha ny tokony ho izy mantsy dia tena nisokatra sy nihaino ny mpanao gazety ny depiote satria izay no maha solombavambahoaka azy ireo. Mihaino sy mitatitra ary mamadika ho lalàna ny filan’ny vahoaka sy ny firenena no tena asan’ny parlemantera. Toa tsy tena izany anefa no misy eto amintsika fa depiote mpanangan-tanana mameno isa ilaina mba hanamarinana ny fahalanian’ny volavolan-dalàna natolotry ny fitondram-panjakana fotsiny. Izay naroson’ny Governemanta tao tsimbazaza toa lany avokoa fa tsy hita izay tena sivana avy amin’ny depiote. Rehefa mba miteny ny mpanao gazety fa misy tsy mety io lalàna mifehy ny fifandraisana io dia tsy avela hiditra ny lapa ary darohana sy dakana raha vao mikiry ny hanatanteraka izany !
Ravalo tsy Manana