Tsy fandriam-pahalemana – Hentitra ny fisavana amin’ny alina
Ahitana mpitandro filaminana manao fisavana tampoka indray amin’ny alina, ny toerana sasany eto an-drenivohitra tao ho ao. Tena hentitra nefa am-panajana tanteraka no anatontosan’izy ireo izany asa izany. Ankoatra ny taratasy sy ny olona dia misy fiara tena sokafana sy araha-maso tanteraka ny ao anatiny. Eny amin’ny faritra Anosibe sy ny manodidina no tena ahitana izany. Mahazo mahamay ihany koa ireo mpivoaka alina nefa tsy mitondra karatra. Tsy azo ifanazavana mihitsy mantsy ny polisy fa izay tsy misy karatra tonga dia tazomina avy hatrany. Rariny sy hitsiny ary tena ara-dalàna tanteraka ny fihetsiky ny polisy satria na atoandro na alina dia tsy maintsy mitondra karatra ny olona rehetra rehefa mivoaka ny trano. Raha ny antontan’isa mantsy no jerena dia saika tsy mitondra karatra ny 90 isan-jaton’ny jiolahy voasambotra. Midika izany fa izay rehetra tsy ahitana karatra dia efa ahiahiana ho olon-dratsy avokoa ka tsy maintsy tazomina sy entina hanaovana fanadihadiana ary miandry ny fanateran’ny havany ny kara-panondrom-pireneny vao afaka mivoaka.
Dom