Vous êtes ici :

Vendredi 22 Novembre 2024

ombre

Ramatoa namono tena – Mbola hita teny aminy ny kopian-janany

Olana ara-tokantrano ! Io no heverin’ny mpanao fanadihadiana ho antony nahatonga ny ramatoa iray hamono tena teny amin’ny ranon’Ikopa vao tsy ela akory izay. Mbola hita teny aminy mantsy ny taratasy saro-pady mahakasika ny tokantranony sy ny fianakaviany. Anisan’izany ny kopian-janany sy ny taratasy manamarina ny mariaziny. Tsy nahitana ratra na mangana ny vata-mangatsiakan’ilay ramatoa ka izay no nilazan’ny mpanao famotorana fa namono tena izy. Ireo taratasy teny aminy ihany koa dia toa maneho fa saika hoentiny manaraka azy any amin’ny varo tsy mifody satria tokony ho simba tao anaty rano raha tsy nisy nahita.

Tsy tranga vaovao ny toy izao fa mateti-pitranga. Taratry ny fahantrana sy ny fahoriana satria mafy loatra ny vesatra mianjady amin’ny isam-batan’olona ka mahatonga ny sasany tsy hahazaka intsony ny fiainana ka mifidy ny hanapitra ny andro amin’ny alalan’ny fitsorahana any anaty rano na ny fisotroana poizina. Ny tena mahagaga dia ny tanora mbola afaka mitraka sy miavotra amin’ny fiainana no tena maro an’isa amin’ny famoizam-po ka lasa manaonao foana miroso amin’ny famonoan-tena. Tsy ny vehivavy irery no lasibatr’izany fa ny lehilahy ihany koa indrindra indrindra.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre